Ministeran’ny Fampianarana ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa momba ny fanatsarana ny kalitaon'ny fampianarana nampitondraina ny lohahevitra « Réflexion nationale sur la qualité de l’enseignement supérieur ». Mandray anjara ao avokoa ireo mpisehatra rehetra amin’ny fampianarana ambony, ny vondron’ny Profesora eto Madagasikara, ireo Filohan'ny Oniversite manerana ny nosy, ireo Tale Jeneralin’ny IST, ireo Filoha mpisolo toeran’ireo Oniversite manakaiky vahoaka ary ny mpikambana avy ao amin’ny Sendikan'ny Mpampianatra Mpikaroka sy Mpikaroka Mpampianatra (SECES). Tafiditra ao anatin’ny fanamby goavana apetraky ny fitondram-panjakana amin'ny Ministeran'ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa ny fanatsarana sy fampiakarana ny lentan'ny fampianarana ambony eto Madagasikara, ka mahatsiaro manana adidy amin'izany ny Minisitera, hoy ny Fiadidian’ny Minisiteran’ny fampianarana ambony tarihin’ny Pr CHAMINAH Loulla. Nialohavana fakan-kevitra tamin'ireo mpisehatra rehetra ireo ity atrik’asa ity, ary niara-niaiky ny rehetra fa nihen-danja ny kalitaon'ny fampianarana. Noho izany, kendrena ny hitondrana vahaolana sy handraisana ny hevitry ny maro manoloana io fidinan'ny kalitaon'ny fampianarana io. Aorian'ny atrik’asa dia hisy ny fehin-kevitra hivoaka. Isan’ny lahadinika ny fomba fitantanana eny anivon'ny Oniversite sy ny famaritana ny andraikitry ny tsirairay. Hojerena ihany koa ny fepetra ara-tsiansa amin'ny fampitoviana ny lanjan'ny ny diplaoma "Doctorat" sy "Habilitation à Diriger des Recherches" ary ny fijerena manokana ny fahaiza-manaon’ireo hisehatra amin’ny fampianarana ambaratonga ambony. Tafiditra amin’izany ny fanajana ny soatoavina, ny fitondran-tena sy etika ary deontôlôjia, hoy ny fanazavana. Nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny atrikasa omaly 23 janoary 2025 ny Minisitra Pr CHAMINAH Loulla notronin’ireo tompon’andraika ambony maromaro eo anivon’ny Minisiteran’ny Fampianarana ambony.
Toky R
Mpampianatra teny anglisy maherin’ny 100 no nandray anjara tamin’ny fiofanana iraisam-pirenena
Nasiam-panavaozana ny efitranon- tsekoly maromaro ao anatin’ireo sekoly ambaratonga