airtel

Fampianarana

27-août-2021

Fampianarana

Fanatsarana ny kalitaon'ny fanabeazana Nanolotra « tablettes numériques» 10 051 ny OIF

Sample post image

Hiara-kiasa akaiky ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny OIF amin’ny fanatsarana ny kalitaon’ny fanabeazana. Tontosa omaly tao amin'ny biraon'ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena,

27-août-2021

 Marie Michelle SAHONDRARIMALALA ny fanaovan-tsonia ny fiaraha-miasa eo teo amin’ny roa tonta izay nosoloin'ny Minisitra tena sy ny "organisation internationale de la francophonie" na ny OIF nosoloin'ny ambasadaoro eto Madagasikara tena, Léonard-Emile OGNIMBA. "Tablettes numériques" miisa 1 050 no nentin'ny avy ao amin'ny OIF hanampiana ny "ezaka hataon'ny minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena sy ny fitondram-panjakana hanatsarana ny kalitaon'ny fanabeazana eto amin'ny firenena. Hita taratra ny fanomezan-danja ny ara-nomerika eny anivon'ny sekoly ka izany no anisan'ny nanomezana izao fanampiana izao", araka ny nambaran'ny ambasadaoron'i OIF. Nampiseho ny fahavononany hatrany kosa ny Minisitra hanohy izany ezaka izany satria "tsy mijanona amin'ny fanomezana fotsiny ihany ny fiaraha-miasa fa mbola misy ihany koa ny fijerena ny entina manatsara ny fomba fianarana teny frantsay izay teny iombonana amin'ny OIF anefa mbola hita ny lesoka eo amin’ny mpianatra. Izao fanaovan-tsonia izao dia milaza sahady ny fiaraha-miasa matotra amin'ny fanatsarana izany lesoka izany", hoy kosa ny Minisitra nanazava. Marihina moa fa hozaraina amin'ny mpianatra sy mpampianatra eny anivon'ny sekolim-panjakana manerana ny nosy ireto "tablettes" vaovao ireto.
Pati
 

Dans la même rubrique