airtel

Fampianarana

29-juil-2022

Fampianarana

Fanavaozana ny rafi-panabeazana Ny ny 1 sy 2 aogositra izao ny fikaonan-doha nasionaly

Sample post image

Notanterahina omaly alakamisy 28 jolay ny fikaonan-doha nasionaly ho an’ny fanovana ny rafi-panabeazana.

29-juil-2022

Vaindohan-draharaha amin’ny politikam-pampandrosoana malagasy ny tontolon’ny fanabeazana. Izany indrindra no antony handraisan’i Madagasikara anjara amin’izany, izay ho votoatin-dresaka mandritra ny fivoriamben'ny Firenena mikambana.Ho fanomanana izany dia hisy ny fikaonan-doha nasionaly, izay hotanterahina ny 01 sy 02 aogositra ho avy izao, eny amin’ny ivon-toeram-pivoriana iraisam-pirenena Ivato. Ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, ny Minisiteran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiantifika, ny Minisiteran’ny Fampianarana Teknika sy Fampiofanana arak’asa, miaraka amin’ny UNESCO sy ny UNICEF, no mikarakara ity fikaonan-doha nasionaly ity. Hivoitra manodidina lalan-kevitra miisa dimy lehibe ny dinika mandritra izany. Anisan’ireny ny resaka sekoly mampiaty, ny miralenta azo antoka sy madio. Ny fampianarana sy ny fahaiza-manao hiatrehana ny fiainana, ny asa ho an’ny fampandrosoana lovain-jafy.Ny tontolon’ny mpampianatra, ny kalitaom-pampianarana sy ny asa fampianarana. Ny fampianarana nomerika sy haitao vaovao ary ny fampiakarana ny famatsiam-bola ho an’ny fanabeazana. Handray anjara amin’ity fotoan-dehibe ity avokoa ireo hery velona sy mpisehatra rehetra eo anivon’ny Fanabeazana manerana ny nosy.
Pati
Legende : Nandritra ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety omaly
 

Dans la même rubrique

27-mars-2024

Tsy handalo fotsiny ihany ny fahatsiarovana ny faha-77 taonan'ny tolom-panafahana 1947

Card image cap