airtel

Fampianarana

11-nov-2026

Fanavaozana

ny sehatry ny fanabeazana

Sample post image

Hisy fikaonandoham-pirenena

11-nov-2026

ny 30 novambra sy 01 desambra 2026
Hanatanteraka ny fikaonandoham-pirenena momba ny fanavaozana ny sehatry ny fanabeazana ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, ny alatsinainy 30 novambra sy talata 01 desambra 2026, eny amin’ny CCI Ivato Antananarivo. Hisy ny fakan-kevitra eny ifotony, miainga eny anivon’ny ZAP, Cisco ary DREN manerana ny Nosy, araka ny fanazavan'ny Tale Jeneraly misahana ny Pedagojia, Razafimandranto Yves. Ny voka-pifanakalozan-kevitra sy ny soso-kevitra avy amin’ireo ambaratonga ireo no hatambatra sy entina mandritra ny fikaonandoham-pirenena. Tanjona ny handraisana ny hevitra sy ny soso-kevitry ny mpisehatra rehetra mba hametrahana vina iraisana ho an’ny fanabeazana eto Madagasikara, araka ny fanazavana. Maro ny fanehoan-kevitra nivoaka taorian'ny nivoahan'ity fampahafantarana ity. Tao ireo nilaza fa tsara fa kitoatoa satria tsy voafaritra mazava ny tena olana fototra. Ao koa ny mihevitra fa fohy ny roa andro, fotoana hanaovana ny fikaonandoham-pirenena ka tsy ho ampy handinihana lalina ny olana rehetra momba ny fanabeazana izany. Misy koa ireo manao fanamarihana hoe : aiza ny anjara toeran'ny mpianatra sy ny ray aman-dreny amin'ity fikaonandoham-pirenena na lazaina aza fa misokatra ho an’ny rehetra ny fakana hevitra. Na eo aza izany dia resy lahatra ny maro fa dingana ihany ny fikaonandoham-pirenena fa ny zava-dehibe dia ny fanatanterahana ny fanapahan-kevitra mivoaka mandritra izany sy ny fanombanana ny vokatra raha nisy fanovana mivaingana tokoa tsapan’ny mpampianatra sy ny mpianatra eny an-tsekoly.
Jean D.
Mbola maro ny sekoly any ambanivolo any no toy izao
 

Dans la même rubrique