airtel

Fampianarana

02-mars-2023

Fampianarana

Fandratoana fianarana any ivelany Tanora 600 isan-taona no mivoaka an’i Madagasikara

Sample post image

Tena tian’ny tanora Malagasy ny mandrato sy manohy fianarana any ivelany, aorian’ny fahazoana ny mari-pahaizana Bakalorea.

02-mars-2023

Mahatratra 600 isa isan-taona mantsy izy ireo no miparitaka manerana an’izao tontolo izao? raha Eoropa hatrany no tena nahitana azy teo aloha.
LEO FITOKONANA
Amin’ny ankapobeny dia leo ny zava-misy iainana eny anivon’ny oniversite-m-panjakana ny ankamaroan’ireo tanora mpianatra afa-panadinana Bakalorea eto amintsika. Very fotoana izahay hoy ny sasany nefa efa tena henjana ny fifaninana hidirana amin’ireny oniversite-m-panjakana ireny. Ny fahasahiranan’ny Ray aman-dReny amin’ny famatsiana anay isam-bolana etsy an-daniny. Ho an’ireo miezaka ny ho tafita indray na dia misy aza ny grevy dia ny olana ara-poto-drafitrasa no tena mandreraka azy ireny toy ny trano fonenana, ny rano fisotro madio izay saika hifampitadiavana avokoa ka aleon’izy ireo mitady vahaolana hafa.
TONGA MAROBE
An-jatony sahady ireo tanora mpianatra tonga tetsy amin’ny Akoor digue omaly noho izany nitsidika ilay Salon des etudes Internationales andiany faha-13 nokarakarain’ny Madajeune. Hifarana anio 02 Martsa izy io ka anisan’ny tanjona raha araka ny fanazavan’Andriamahatsangy Lahatra, izay mpikarakara ny hanampiana ireo tanora mpianatra Malagasy maniry ny hanohy fianarana any ivelany. Ho an’ireo tena handeha hianatra any am-pita mihitsy hoy izy dia efa hampahafantarina azy sahady ny momba ilay tanana misy ilay oniversite tiany hanohizana fianarana, ny taratasy tokony hokarakarainy, ny toetr’andro any an-toerana …. mba hahafahany miomana. Raha te-hianatra any an-dafy mantsy hoy izy dia tsy voatery rahampitso dia mandeha fa tsy maintsy misy fotoana hiomanana tsara ary tsy voatery mila volabe koa. Ho an’ireo nahazo vatsim-pianarana hoy izy dia tsy mila mandoa volabe ny Ray aman-dReny. Ho an’ireo te-hijanona eto an-tanindrazana kosa saingy maniry ny hahazo ny diplaoma iraisam-pirenena dia nambarany fa misy ireo sekoly afaka ny manao izany izay mandray anjara amin’ity hetsika ity mivantana etsy amin’ny Akoor digue.
HO ANY CANADA
Raha araka ny zavatra hita sy tsapa teny amin’ny Akoor digue omaly dia maro amin’ireo mpianatra no maniry ny hanohy fianarana any amin’ny oniversite-n’i Canada. Marobe ihany koa mantsy ny tolotr’asa mandeha any amin’ity firenena iray ity amin’izao koa raha vantany vao mahavita fianarana ny mpianatra iray dia afaka miasa avy hatrany. Tsy ho an’i Canada irery anefa raha araka ny fanazavan’ny mpikarakara fa afaka mandray mpianatra Malagasy ihany koa ny oniversite-n’i Inde, Maurice, Etazonia… Tsy ny mpianatra rehetra anefa hoy Andriamahatsangy Lahatra no afaka mianatra any ivelany. Tsy maintsy mahafehy ny tenim-pirenena vahiny mantsy hoy izy ny mpianatra iray toy ny teny Frantsay sy ny Anglisy ohatra vao afaka manatanteraka izany nofinofiny izany.
MAHAZO TOMBONY KOKOA
Ho an-dRandriantavy Manohisoa, tanora mpianatra ao amin’ny taona fahatelo, manovo fahalalana eny amin’ny anjery manontolo dia nambarany fa anisan’ny tena manosika azy handeha hanohy fianarana any ivelany ny fahatsapany fa mahazo tombony kokoa ireny tanora ireny rehefa tafaverina eto an-tanindrazana. Omen’ny fanjakana vahana mihitsy hoy izy hany ka tsaratsara kokoa ny lanjany. Tsy maintsy hiverina an-tanindrazana kosa anefa ny tenany raha vantany vao vita ny fianarany na dia Ariary aza ny vola raisina eto, sandam-bola anisan’ny azo lazaina ho ambany indrindra. Tsy hahafahana mampandroso ny firenena mantsy raha araka ny fanazavany ny fijanonan’ireo manam-pahaizana rehetra any am-pitandranomasina na dia betsaka aza ny karama raisina.
Pati
Legende : Andriamahatsangy Lahatra, mpikarakara !
Mahavory tanora mpianatra marobe tahaka izao sahady ny Salon des etudes Internationales omaly !
Randriantavy Manohisoa, anisan’ireo tanora mpianatra maniry ny hanohy fianarana any ivelany!

Dans la même rubrique

17-avril-2024

Nisy ny tenimita na naoty navoakan’ny Ministeran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana Ara-tsiansa ny 22 martsa 2024,

Card image cap
17-avril-2024

Mitohy ny hetsika fanentanana ny mpianatra momba ny Fehezam-pitsipika misahana ny fikoloam-pahasalamana

Card image cap