Fahafaham-baraka tsy misy ohatr’izany ary efa mparitaka hatrany ivelan hoe : nisy fivoana laza adina mialohan’ny fotoana indray ny fanadinana bakalorea tany Madagasikara. Ny taranja Tantara sy jeografia no voakasika eto ary nohamarinin’ny filankevitry ny ministra omaly alarobia fa tena nisy tokoa io fivoahana laza adina mialoha ny fotoana io na ilay antsoina hoe « fuite de sujet ». Voakasik’io avokoa ny sokajy rehetra (A1, A2,C,D) .Nanome toromarika hentitra omaly ny filoham-pirenena mba hikarohana sy hisamborana ary hanafaizana araka ny lalàna velona ireo rehetra nahavanon-doza. Ka hatreto aloha dia efa olona am-polony no nosamborina .
AVERINA
Notapahan’ny filan-kevitry ny minsitra ihany koa fa averina atao rahampitso zoma maraina ny taranja tantara sy jeografia ka ny laza adna fandry faharoa no hapoitra . Manna safidy anefa ireo mpiadina na hamerina na tsia, ho an’ireo mamerina da iza naoty tsara tamin’ireo taratasim-panadinana roa no horaisina. Hisy ihany koa ny Bonus amin’ny taranja tantara sy jeografia ho an’ireo mpanala fanadinana rehetra manerana ny nosy. Niverina indray ny fikorontanan’ny fanadinam-panjakana Bakalorea, izay tsy vao sambany tao anatin’izao fitantanan’ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina izao. Nisy tsy fahatomombanana ny bakalorea 2019, ary nisy ny sakoroka niseho tamin’ny endriny maro. Niafara tamin’ny fanesorana ny Minisitry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa Pr Blanche Nirina Richard ny olan’ny bakalorea sy ny tontolon’ny fampianarana ambony tamin’izany.
KORONTANA MANARAPENITRA
Tena fikorontanana sy savorovoro manarapenitra no nisy : Nisy hatramin’ny mpiadina miisa 4 torana tany Toliara noho ny fanapahan-kevitra hanovana ny laza adina. Ny tany Vakinanankaratra olana be tahaka ny tany Betafo sy ireo distrika maro eny fa na ny tao Antsirabe Renivohitra aza,… Tara avokoa ny fanombohana, nisy aza tamin’ny 6ora hariva ny mpiadina vao niditra tamin’ny laza adina tamin’io taranja io. Betsaka ny faritra sy toerana voatery nasaina nitondra jiro labozia ny mpiadina, eny fa na ny teto Antananarivo Renivohitra aza satria delestazy. Fifantohana inona intsony no ho vanona ao anatin’izany? Hanao ahoana ny ho fiantraikany amin’ny taranja hafa ? Tao anatin’izao fitondrana izao no nahitana fanaovana tsirambina indrindra ny fampianarana. Ireharehana fa nahavita sekoly manara-penitra maro tokoa ilay fitondrana, fa ny tontolon’ny fampianarana tena tantara sy jeografia marina raha raisina amin’izao bakalorea izao. Mitady izay hanilihana lava, hany ka dia novoizina teny amin’ny tambajotran-tserasera indray fa sabôtazin’ny mpanohitra. Miezaka mbola manilika ny tsy fahombiazana amin'ny mpanohitra indray. Mbola tsy nanomboka anefa ny Bakalorea dia efa nandindona ny olana, toy ny fahalainan’ireo mpiambina na « jury» satria an-taonany vao mivoaka ny tambin-karama, toy ny hoe : 2019-2020 aty amin’ny 2023 vao voaray. Tsy nahita vahaolana amin'ny ivoahana laza adina mialohan’ny fotoana efa nitranga tamin'ny 2019, voatery nanaovana « session spéciale » ka dia misy mbola hitehaka ihany ve lehiretsy manoloana izao tranga izao ? Hanao ahoana ny lentan’ny Bakalorea 2023 izay mety hiantraika amin’ireo tanora ? Fanadinam-panjakana aza tsy voafehy mainka fa firenena ?
Toky R