airtel

Fampianarana

19-mai-2023

Fampianarana

Fanofanana ireo mpampianatra teny Anglisy

Sample post image

Tanterahina any Fianarantsoa ny “AE TOT”

19-mai-2023

Manokatra varavarana maro ho an’ny mpianatra sy ny mpiasa Malagasy ary manampy amin’ny fivoarana eo amin’ny tontolon’ny fampianarana sy ny asa na eto an-toerana na eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny teny Anglisy. Manohana izany fomba fijery izany ny governemanta Amerikanina ary nanome fiofanana avo lenta ho an’ny mpampianatra ny taranja teny anglisy eto Madagasikara hanatsaran’izy ireo ny fomba fampianarana sy ny fitaovana fanovozam-pahalalana ampiasainy amin’ny fampianarana io taranja io eny amin’ny sekoly ambaratonga faharoa na Lycée sy ny anjerimanontolo na oniversite. Mahatratra 25 ireo mpampianatra ny taranja teny anglisy avy amin’ny faritra atsimon’i Madagasikara izay tonga ao Fianarantsoa hanatrika ny atrikasa fanamafisana traikefa avy amin’ny American English Training of Trainers (AE TOT) ny 17 ka hatramin’ny 20 may. Ho lasa matihanina afaka hampiofana sy hizara traikefa izy ireo avy eo. Vatsian’ny Masoivoho Amerikanina vola ny AE TOT ary ny fikambanana tsy miankina Lanja Omena Vokatra hAharitra (LOVA) no manatanteraka azy. Hianatra hampiasa ireo fitaovana fanovozam-pahalalana avy amin’ny American English izay tohanan’ny governemanta amerikana ary azo alaina ao amin’ny tranonkala americanenglish.state.gov ireo mpandray anjara amin’ny atrikasa. Nomarihina fa betsaka ireo tolotra ao amin’ny tranonkala American English izay azo ampiasaina maimaim-poana hanatsarana ny fampianarana toy ny drafitry ny lesona homena ny mpianatra, ny boky azo henoina, ny horonantsary, ny fampianarana ampitain-davitra sy ny lalao samihafa izay azo atao printy,…. Mandritra ny atrikasa AE TOT dia misy ny fifampizarana mivantana miaraka amin’ireo manam-pahaizana amerikanina sy Malagasy ary mandray anjara amin’izany ireo mpampianatra teratany Amerikanina izay miasa eto Madagasikara sy Kaomoro. Mihoatra ny 175 ireo mpampianatra ny taranja teny anglisy avy amin’ny faritra atsimon’i Madagasikara izay hahazo tombony amin’ny AE TOT, raha toa 920 no efa nisitraka manerana ny Nosy, 2700 kosa ireo efa nahazo tantsoroka momba ny fampianarana ny teny Anglisy nanomboka ny 2017.
Toky R
 

Dans la même rubrique

24-juil-2024

Mampiaka-peo manoloana ny olana samihafa miverimberina ny mpianatry ny oniversiten’Antananarivo

Card image cap
24-juil-2024

Anisany mpandray anjara tamin'ny hetsika Madagascar school Fair teny amin'ny Radisson Blu

Card image cap
24-juil-2024

Hafakely ny tranga nandritry ny fanadinana bakalorea tany Ambositra ny andro voalohany,

Card image cap