airtel

Fampianarana

09-oct-2026

Fampianarana

Fanofanana momba ny nomerika

Sample post image

Hiara-hiasa no an’ny tanora

09-oct-2026

ny METFP sy ny Orange
Miroso amin’ny fanamafisana ny fahaiza-manao mifanaraka amin’ny filàn’ny tsenan’asa maoderina ny fiaraha-miasan’ny Minisiteran’ny Fampianarana Teknika sy ny Fampiofanana arak’Asa (METFP) sy ny Orange Madagascar. Omaly 8 oktorbra 2026 no natao sonia ny fifanarahana teo amin’ny roa tonta, notarihin’ny minisitry ny METFP, Dr Andriamampandry Todisoa Manampy sy ny Tale Jeneralin’ny Orange Madagascar, Aminata Ndiaye Niang. Tanjona amin’izany ny hampivelatra ny fahaiza-manao nomerika, hanamora ny fidiran’ny tanora amin’ny asa ary hanampy ny vehivavy hahazo fahaleovantena ara-toekarena amin’ny alalan’ny fampiofanana mifanaraka amin’ny filàn’ny tontolo matihanina. Ao anatin’ity fiaraha-miasa ity, ny METFP no hiantoka ny fanaraha-maso sy ny fankatoavana ara-panjakana ireo fiofanana hatolotra, mba hifanaraka amin’ny fenitra nasionaly. Ny Orange Madagascar kosa hitondra ny traikefany eo amin’ny teknolojia, ny fanavaozana ary ny fampiofanana mifanaraka amin’ny filàn’ny orinasa sy ny tontolon’ny asa. Hiara-hamolavola fandaharam-piofanana momba ny asa nomerika ihany koa ny roa tonta, miaraka amin’ny lalam-piofanana ahafahan’ny mpiofana miditra mivantana amin’ny sehatra matihanina na manangana ny orinasany manokana. Nambaran’i Aminata Ndiaye Niang fa ilaina ny manome ny tanora sy ny vehivavy fahaiza-manao azo ampiharina avy hatrany manoloana ny fiovan’ny tontolon’ny asa ateraky ny fandrosoan’ny teknolojia. Hiankina betsaka amin’ny traikefan’ny Orange Digital Center Madagascar sy ny Orange Solidarité Madagascar ity tetikasa ity, izay efa manana andraikitra lehibe eo amin’ny fanofanana momba ny nomerika, ny fanavaozana ary ny fandraharahana. Nanamafy kosa ny minisitra Todisoa Andriamampandry fa tena ilaina ny fiaraha-miasa toy izao amin’ny fanomanana ny tanora hiatrika ny fanambin’ny vanim-potoana nomerika. Anisan’ny laharam-pahamehana ny fanabeazana nomerika, ny fahazoana fotodrafitrasa sahaza ary ny fampidirana ny haranitan-tsaina artifisialy ao anatin’ny fampiofanana. Nambarany ihany koa fa kendrena ny hanangana Ivon-toerana fiofanana nomerika goavana an’ny METFP izay tanjona ny hahavitany amin’ny taona ho avy, ka isan’ireo mpiara-miombon’antoka efa andrasana handray anjara amin’izany ny Orange, ny MNDPT na ny Minisiteran’ny paositra,… ary misokatra hatrany amin’ireo mpiara-miombon’antoka.
Toky R


Miroso amin’ny fanamafisana ny fahaiza-manao ilain’ny tontolon’ny asa ankehitriny Minisiteran’ny Fampianarana Teknika sy ny Fampiofanana arak’Asa (METFP) sy ny Orange Madagascar. Omaly, nanao sonia fifanarahana fiaraha-miasa roa tonta tamin’ny alalan’ny Tale Jeneralin’ny Orange Madagascar, Aminata Ndiaye Niang, sy ny minisitry ny METFP, Dr Andriamampandry Todisoa Manampy. Tanjona ny hampivelatra ny fahaiza-manao nomerika, hanamora ny fidiran’ny tanora amin’ny asa ary hanampy ny vehivavy hahazo fahaleovantena ara-toekarena. Fiaraha-miasa napetraka mba hahatonga ny nomerika ho fitaovana tena mivaingana amin’ny fanomanana ireo taranaka vaovao hiatrika ny filàn’ny tsenan’asa sy ireo asa vao misondrotra no tanjona. Ao anatin’ny tetikasa, ny METFP no hiantoka ny fanaraha-maso sy ny hanao ny fankatoavana ara-panjakana ireo fiofanana hatolotra, mba hifanaraka amin’ny fenitra nasionaly. Ny Orange Madagascar kosa dia hanolotra ny traikefany eo amin’ny sehatry ny teknolojia, ny fanavaozana ary ny fampiofanana mifanaraka amin’ny filàn’ny orinasa sy ny sehatra matihanina. Hiara-hamolavola fandaharam-piofanana momba ny asa nomerika ihany koa ny roa tonta, sady hanangana lalam-piofanana hahafahan’ny mpiofana miroso mivantana amin’ny asa na manangana ny orinasany manokana. Kasaina hampiroboroboina koa ny fiofanana hahazoana mari-pahaizana sy mari-pankasitrahana manamafy ny lanjan’ny traikefa sy ny fahaiza-manao azo. Nambaran’i Aminata Ndiaye Niang fa miova haingana ny tontolon’ny asa noho ny fivelaran’ny teknolojia, ka ilaina ny manome ny tanora sy ny vehivavy fitaovana sy fahalalana azo ampiasaina avy hatrany eo amin’ny sehatra matihanina. Araka ny fanazavany, tanjona ny hanome fahaiza-manao tena ilain’ny orinasa sy ny tsenan’asa ary afaka manampy ny tsirairay hanangana ny hoaviny. Hiankina amin’ny traikefan’ny Orange Digital Center Madagascar ity fiaraha-miasa ity. Hetsika efa fantatra amin’ny fanofanana momba ny nomerika, ny fanavaozana ary ny fandraharahana izy io. Hanatevin-daharana izany ihany koa ny Orange Solidarité Madagascar, izay hanamafy ireo hetsika mikendry ny fampidirana ara-tsosialy sy ny fanohanana ny tanora ary ny vehivavy. Nanamafy ny Minisitra Todisoa Andriamampandry fa tena zava-dehibe ny fanampiana sy fiaraha-miasa hanohanana ny tanora : fanofanana mikasika ny fanabeazana nomerika, fanampiana amin’ny resaka fotodrafitrasa, ny resaka haranitan-tsaina artifisialy,... Tsy afa-misaraka intsony amin’ny teknolojia isika, ka tsara raha mahafehy an’izany ny mpianatry ny lisea teknika ary tokony ho lohalaharana. Ezahana ho vita amin’ny taona ho avy ny Ivon-toerana fiofanana nomerika goavana be ao anivon’ny METFP, ka sokajiana ho isan’ny mpiara-miasa amin’izany sahady ny Orange, ny minisiteran’ny paositra na MNDPT,… ary misokatra hatrany amin’ireo mpiara-miombon’antoka maro.

 

Dans la même rubrique

08-oct-2026

Misy fepetra tetezamita amin'ireo

Card image cap
08-oct-2026

Namaha olana ny Fanjakana,

Card image cap
08-oct-2026

Nijotso ny taham-pahafahana

Card image cap