airtel

Fampianarana

13-sept-2022

Fampianarana

Fanohanana ny sehatry ny fanabeazana Mpiara-miombon’antoka 8 no vonon-kanampy

Sample post image

Mpiara-miombon’antoka miisa valo no fantatra fa niara-nanatanteraka fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa tamin’ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Marie Michelle Sahondrarimalala,

13-sept-2022

omaly alatsinainy 12 septambra 2022 ho fanatsarana sy hanohanana ny sehatry ny Fanabeazana. Anisan’izany ny « Fondation BOA » ; ny fikambanana « Antilin’i Madagasikara » ; ny « Jeune Advantiste » ; ny fikambanana « Kiadin’i Madagasikara » ; ny « ONG DEFI » ; ny « Autisme Fédération de Madagascar » izay miara-miasa amin’ny « Orange Solidarité Madagascar » ; ny fikambanana « Kolo Zaza Malagasy » ary ny « SEED Madagascar ». Asa fanavaozana sekoly ; fanabeazana ho olom-banona sy fampianarana fahaiza-miaina ; fanomezana fiofanana ho an’ireo mpanabe zaza sy ankizy « autiste » ; fanomezana fanabeazana ho an’ireo ray aman-dreny sy ireo zaza madinika ; ary fanomezana fampianarana mikasika ny fahasalamana sy ny zo ara-pananahana eny anivon’ny sekoly ambaratonga faharoa, no niompanan’ireo fiaraha-miasa natao sonia ireo. Nankasitraka sy nanantitra ny fisaorana ho an’ireo mpiara-miombon’antoka ireo ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Marie Michelle Sahondrarimalala, ary nanamafy fa mbola vonona hatrany ny amin’izay mety ho fitohizan’ny fiaraha-miasa na izay fomba hanitarana ireo tetikasa ireo izay hisandrahaka manerana ny Nosy.
Nangonin’i Pati
Legende : Santionany tamin’ny fifanaovan-tsonia vita omaly
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Mampiaka-peo ary maneho ny fitarainany eo anatrehan’ny fahatsapan’izy ireo fandikan-dalàna mihoampampana

Card image cap
25-avril-2024

tapitrisa Ariary ho an'ireo mpianatry ny sekoly ny Ray mpiahy ny fankalazana sady filoha

Card image cap
25-avril-2024

Tsy zakan’ireo mpianatra ao amin’ny Lisea Morarano distrikan’Ihosy intsony ny fitiavam-bola diso

Card image cap