airtel

Fampianarana

08-janv-2021

Fampianarana

Fanohizana fianarana any Frantsa Mila manana 115 Euros isam-bolana fara fahakeliny

Sample post image

Tanterahana ao amin’ny IFM Analakely rahampitso sabotsy 09 Janoary ny hetsika « Salon des études en France »,

08-janv-2021

 

 

 karakarain’ny Institut Français de Madagascar sy ny Campus France. Natao hanampiana ireo mpianatra maniry ny hanohy fianarana any ivelany izy ity, raha ny fanazavana, no sady hanoroana azy ireo ny karazana antontan-taratasy ilaina ihany koa. Hampiavaka ny hetsika ny fisian’ny fitsapam-pahaizana teny Frantsay tsy handoavam-bola ho an’ireo mpianatra liana. Manome torohevitra ireo ray aman-dreny manan-janaka maniry ny hanohy fianarana any ivelany ihany koa anefa ny IFM mba hampanohy fianarana ny zanany afaka bakalorea 2 na 3 taona amin’ireo oniversitem-panjakana na oniversite tsy miankina nahazo alalana avy tamin’ny minisiteran’ny fampianarana ambaratonga ambony eto amintsika aloha vao alefa any noho ny fahasamihafan’ny fiainana any sy eto. Lafo be, hoy ny mpikarakara ny fanohizana fianarana any Frantsa satria mila manana 115 Euros isam-bolana eo ny mpianatra iray fara fahakeliny. Nanano sarotra ny fikarakarana taratasy farany teo noho ny valanaretina ka voatery natao ampitain-davitra noho izany. Nahavita nandefa mpianatra miisa 700 izahay tamin’ity na izany aza. Manodidina izay hatrany rahateo koa ireo mpianatra lasa isan-taona, hoy hatrany ny fanazavana.

J. Mirija

Legende: Tetsy amin’ny IFM omaly

Dans la même rubrique

27-mars-2024

Tsy handalo fotsiny ihany ny fahatsiarovana ny faha-77 taonan'ny tolom-panafahana 1947

Card image cap