airtel

Fampianarana

25-août-2023

Fanohizana fianarana

any ivelany Frantsa sy Kanada no tena be mpifidy

Sample post image

Maro ireo mpianatra malagasy te hanohy ny fianarany any am-pitan-dranomasina, raha ny fanazavan’ny avy eo anivon’ny Andafy study,

25-août-2023

saingy olana ny ara-bola. Antony io, hoy ny mpitantana ity orinasa mpikarakara izany ity, Dina Randria, hampahafantarany ny momba ny tokony atao mikasika izany ny 24 sy 25 aogositra eny amin’ny Analamanga hotel Tanjombato. Miisa 3000 eo ny ankizy eto Madagasikara mandeha manohy fianarana any an-dafy isan-taona. Kanada sy Frantsa no tena betsaka mpifidy. Izay mahaloa saram-pianarana dia efa alamin’ilay oniversite mandray azy ny taratasy mikasika izany na “visa”, hoy hatrany ny fanazavana. Manodidina ny 30 tapitrisa Ariary hatramin’ny 80 tapitrisa Ariary isan-taona no totalin’ny vola lany amin’izay fanohizana fianarana any ivelany izay, hoy hatrany ny fanampim-baovao voaray.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

24-juil-2024

Mampiaka-peo manoloana ny olana samihafa miverimberina ny mpianatry ny oniversiten’Antananarivo

Card image cap
24-juil-2024

Anisany mpandray anjara tamin'ny hetsika Madagascar school Fair teny amin'ny Radisson Blu

Card image cap
24-juil-2024

Hafakely ny tranga nandritry ny fanadinana bakalorea tany Ambositra ny andro voalohany,

Card image cap