airtel

Fampianarana

05-août-2021

Fampianarana

Fanomanana ny fidiran’ny mpianatra Misy sekoly manao “hetsika fitaovam-pianarana”

Sample post image

250.000 Ar isaky ny ankizy raha kely amin’izao ny lela-vola tsy maintsy homanin’ny Ray aman-dRenin’ny mpianatra ho an’ny zaza iray hiatrehana ny taom-pianarana vaovao 2021-2022 .

05-août-2021

 Manodidina ny 100.000 Ar eo ho eo ny fanavaozana ny sara-pisoratana anarana raha 150.000 Ar eo ho eo kosa no tontalin’ny fitaovam-pianarana indrindra fa ho an’ireo mampiana-janaka eny anivon’ny sekoly tsy miankina mampiasa ny teny Frantsay. Tsy misy izay tsy mikaikaika araka izany ireo Ray aman-dReny. Tsy maintsy hatrehina ihany koa mantsy ny fampandehanana ny fiainana amin’ny andavanandro nefa tsy lazaina intsony ny fidangan’ireo kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro. Nofy sisa araka izany izany fialan-tsasatra lehibe izany ho an’ny rehetra. Ato anatin’ny 4 herinandro monja mantsy izany hoe : mandritra ity volana Aogositra ity no hanomanana ny fidiran’ny mpianatra fa tsy misy fotoana ankoatra izay. Mba misy ihany ireo sekoly malahelo manoloana izany ka manome fanalefahana amin’ny fividianana fitaovam-pianarana. Ao anatin’ny 3 volana no handoavana izany ka isaky ny mandoa saram-pianarana rehefa faran’ny volana dia mandoa vidina fitaovana ihany koa. Horaisin’ny sekoly an-tanana avokoa aloha ety am-piandohana ny fividianana ny fitaovam-pianarana rehetra araka izany ary efaina tsikelikely aorian’izay. Na izany aza anefa tsy mampaninona ny sekoly ihany koa ny fanapahan-kevitra mety horaisin’ireo Ray aman-dReny manana ny fahafahana ny hividy avy hatrany izany fa tsy hiditra amin’io fanalefahana io.
Pati

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

tapitrisa Ariary ho an'ireo mpianatry ny sekoly ny Ray mpiahy ny fankalazana sady filoha

Card image cap
25-avril-2024

Tsy zakan’ireo mpianatra ao amin’ny Lisea Morarano distrikan’Ihosy intsony ny fitiavam-bola diso

Card image cap
24-avril-2024

Misy olona manaparitaka zava-mahadomelina ao anatin'ny faritry ny onivesite-n’i Barikadimy,

Card image cap