airtel

Fampianarana

24-sept-2026

Fanovana

mikasika ny fanadinana bakalorea

Sample post image

Mbola mihenjan-droa ny tady eo

24-sept-2026

amin’ny Fanjakana sy tsy miankina
Mbola mitohy ary tsy mbola nahitana fifanarahana mazava ny fifandirana eo amin’ny Ministeran’ny fanabeazana sy ny sekoly tsy miankina, mikasika ny programam-pampianarana. Na dia efa nisy aza ny fivoriana tamin’ny 18 septambra niarahan’ireo minisitra misahana ny fanabeazana sy ny fampianarana ambony ary ny fifampidinihana ara-teknika tamin’ny talata, dia mbola tsy nisy fanapahan-kevitra iraisana. Mitazona ny heviny ny ministera ka manamafy fa hampiharina avy hatrany amin’ity taom-pianarana ity ny programa vaovao, izay manova ny rafitra ho lasa sokajy L, S ary OSE amin’ny bakalorea. Manome toky ihany koa fa hisy fanitsiana manokana amin’ny fanomanana ny fanadinana mba hanajana ny fahasamihafan’ny mpianatra. Etsy ankilany, ny sekoly tsy miankina dia mbola mitaky fampiharana tsikelikely ary milaza fa mila fotoana fanampiny ny mpampianatra sy ny mpianatra mba hifanaraka amin’ny fanovana. Araka ny fanazavan’ny Père Jules Ranaivoson, talen’ny DINEC (Direction Nationale de l’Enseignement Catholiqu) izay notaterin’ny fampahalalam-baovao iray omaly ohatra, dia tokony hanomboka amin’ny kilasy Seconde aloha ny fanovana, avy eo ny Première amin’ny taom-pianarana manaraka, ary amin’ny farany vao hoentina amin’ny ambaratonga rehetra ao anatin’ny roa taona. Amin’izao fotoana izao, misy sekoly tsy miankina mbola manohy amin’ny programa taloha, raha ny hafa kosa efa nanomboka tamin’ny sokajy vaovao. “Raha misalasala dia misafidy ny tsy hanova aloha,” hoy hatrany ny Père Jules Ranaivoson, araka ny vaovao hita. Ny fifampidinihana eo amin’ny teknisian’ny ministera sy ny sekoly tsy miankina dia mbola mitohy, saingy ny fanontaniana lehibe dia mijanona: hifanaraka ve ny roa tonta sa mbola hitohy ny ady hevitra? Nanomboka tamin’ny taona 2020, efa nisy sekoly vitsivitsy nampihatra ny programa vaovao, ary amin’izao fotoana izao dia efa saika voaangona tanteraka ny sekoly fanjakana. Ny sekoly tsy miankina kosa mbola mizara: misy efa manaraka, misy mbola mitazona ny rafitra taloha. Mila alamina sy jerena satria ny ho avin’ny fanabeazana no resaka eto !
Toky R

 

Dans la même rubrique