airtel

Fampianarana

09-mars-2021

Fampianarana

Fanovana ny endriky ny bakalorea Mbola am-pandihana ny sekoly Katolika

Sample post image

Mbola eo am-pandinihana ny mikasika fanovana ny endriky fanadinam-panjakana bakalorea amin’ny alalan’ny

09-mars-2021

 


 fitaleavam-pirenena misahana ny fampianarana sy fanabeazana katolika na DINEC ny sekoly Katolika eto Madagasikara, raha ny fampitam-baovao voaray omaly. Raha tsiahivina dia kasain’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ho ampiharina ao anatin’izay fanadinana izay ihany koa ny fanovana ny sokajy A sy C ary D ho E na Literera sy S na siantifika ary OSE na “organisation – société – économie”. Mbola mametraka filana fiomanana amin’izany na ho an’ireo mpianatra na ho an’ireo mpanabe, noho izany, ny DINEC. Ity fanovan-drafitra ity moa, raha tsiahivina hatrany, dia voarakitry anatin’ilay tetikasa PSE na “Plan sectoriel de l’éducation” tao anatin’ny fitantanan’ny minisitry ny fanabeazam-pirenena teo aloha, Paul Rabary, nandritry ny fitondrana, Hery Rajaonarimampianina.

 J. Mirija

Dans la même rubrique