airtel

Fampianarana

21-mai-2025

FARITRA ATSIMO ATSINANANA

Nitsoaka an-daharana an-tsekoly ny 75%n’ny vehivavy

Sample post image

Ny 75%-n’ireo vehivavy any amin’ny Faritra Atsimo Atsinanana no fantatra

21-mai-2025

fa nitsoaka an-daharana an-tsekoly. Manam-bady aloha loatra ihany koa ireo tovovavy any an-toerana ka manao tera-bitro. Mbola tsy dia misy any amin’ity faritra ity mantsy ny fandrindram-piainam-pianakaviana na ny fanabeazana aizana. Betsaka ihany koa ireo zaza sy ankizy tokony hianatra nefa tsy manana kopia mari-pahaterahana, ny Reny mitaiza irery nefa tsy manana anton’asa mahavelona….Anisan’ny antom-pijoroan’ny Fikambanana “Mitsangana fa vehivavy Atsimo Atsinanana” izany, izay nampahafantarina tamim-pomba ofisialy ny mpanao gazety omaly Talata 20 May. Tanjon’ny fikambanana raha araka ny fanazavan’ny filohany Rtoa Paulette ny hanova endrika ny Faritra Atsimo Atsinanana mihitsy mikasika ny fitaizana sy ny fikarakarana ny ankizy sy ny vehivavy. Fantatra ihany koa moa fa mbola tsy manan-jo mihitsy ny vehivavy any amin’ity Faritra ity eo amin’ny resaka fizaram-pananana. Mbola ny lehilahy hatrany no mandova….Tsy vita mora foana anefa izany fanovana izany antony manosika ny fikambanana hikarakara ilay hetsika fitadiavam-bola dejeuner dansante izay hotanterahin’izy ireo amin’ny datin’ny Sabotsy 24 May ho avy izao.
Pati
Legende : Mbola tena tsy misitraka ny zony ireo vehivavy any amin’ny faritra Atsimo Atsinanana !
 

Dans la même rubrique