airtel

Fampianarana

25-mars-2021

Fampianarana

Faritra Atsimo Hahazo sekoly vaovao 12 isa

Sample post image

Hahazo sekoly vaovao miisa 12 ny any amin’ireo faritra telo any Atsimon’i Madagasikara dia ny Faritra Anosy,

25-mars-2021

 

 

 Androy ary Atsimo Andrefana. Vokatry ny famatsiam-bola mitentina 1,3 tapitrisa dolara natolotry ny Masoivoho Norvezianina miasa eto Madagasikara no angady nanana sy vy nahitana izany. Ireo sekoly vaovao vao hatsangana any amin’ireo faritra telo hita any Atsimon’ny Nosy ireo dia samy ahitana efitrano fianarana, trano ho an’ireo mpandraharaha sy tale eo anivon’ireo sekoly tsirairay avy ary toeram-pidiovana sy fahadiovana raha herinaratra azo avy amin’ny masoandro kosa no hanazava ny efitrano. Notanterahana afak’omaly talata 23 martsa maraina, tao Anosy, ny fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa mikasika izany teo amin’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, ny Masoivoho Norvezianina, izay namatsy vola, ary ny “UNICEF”, ny “PAM” ary ny “BIT”; izay hanatanteraka ny tetikasa. Ankoatra io fananganana foto-drafitrasa vaovao io dia isan’ny tetikasa hotanterahana ihany koa ny fanamafisana ny “Cours de Remise à Niveau” ho an’ireo mpianatra, ny fanohanana ny fampisakafoanana an-tsekoly, ny fanomezana fitaovam-pianarana, ny fampitaovana ny sekoly sy ireo mpianatra ary mpampianatra.

Pati

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

tapitrisa Ariary ho an'ireo mpianatry ny sekoly ny Ray mpiahy ny fankalazana sady filoha

Card image cap
25-avril-2024

Tsy zakan’ireo mpianatra ao amin’ny Lisea Morarano distrikan’Ihosy intsony ny fitiavam-bola diso

Card image cap
24-avril-2024

Misy olona manaparitaka zava-mahadomelina ao anatin'ny faritry ny onivesite-n’i Barikadimy,

Card image cap