airtel

Fampianarana

16-août-2022

Fampianarana

Fianarana teny anglisy Namoaka mpianatra 80 mahery ny ESM

Sample post image

Tontosa ny sabotsy teo tetsy Antanimena ny famoahana amin’ny fomba ofisialy ireo mpianatra teny anglisy nahavita ny fiofanany nandritry ny 4 volana teo anivon’ny sekoly ambony momba izany na ESM.

16-août-2022

Nifarana nialohan’io ihany koa ny antsoina hoe “Final speech”, izany hoe, fanohanana lohahevitra farany tsy maintsy nataon’izy ireo nahazoana izay sertifika izay, hoy ny fanazavan’ireo mpanabe. Maherin’ny 80 isa ireo mpianatra navoaka tamin’ity andiany fahatelo hatramin’izay nitsanganan’ny ESM ity. Maro ireo lohahevitra nofidian’ireo mpianatra izay nampahafantarin’izy ireo nandritry ny 15 hatramin’ny 20 minitra avy teo. Tanora no ankamaroan’izy ireo. Santionan’ireo lohahevitra, ohatra, ny mikasika ny lafin-tsara sy ratsin’ny “Jeux video”, ny resaka fahatokisan-tena na “self confidence”, ny hery miafina ambadik’ireo hazo na “the power trees”, ny tambazotran-tserasera samihafa, ny mikasika an’I Etazonia, izay toy ny nitondrana ireo mpitsara nitsangatsangana tao anatin’izay 15 minitra izay mihitsy, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija
Legende: Santionan’ireo fanohanana lohahevitra teny an-toerana
 

Dans la même rubrique