airtel

Fampianarana

20-août-2026

Fianarana teny japoney

Faharoa aty Afrika i Madagasikara

Sample post image

Raha ny fanisàna natao

20-août-2026

nanomboka ny taona 2021, hoy ny mpitantana ny ivotoeram-pampianarana teny japoney Makoto Institute, Hasimiarintsoa Rova Mendrika, dia efa manomboka betsaka ny tanora liana amin’ny fampianarana teny japoney eto Madagasikara hatramin’izao taona 2026 izao. Isany nandrisika anay izany, hoy izy, hitady lalan-kasa ho an’ireo tanora ireo. Hatramin’ny taona 1993 nisian’ny fampianarana teny japoney teto Madagasikara dia sarotra ny fahitàna lalan-kasa ho an’ny fampianarana teny japoney nefa betsaka ny tanora sy ankizy liana aminy. Nanomboka ny faran’ny taona 2025 teo ny Makoto no niroso tamin’ny fitadiavana mpiara-miombon’antoka dia misy ny mpiara-miombon’antoka miara-miasa any Japon sy eto Madagasikara. Miisa 6 ny mpianatra noraisina teny Ampandrana ny taona 2020 fa taorian’izay dia tafakatra 50 teo ary antony nananganana ny fikambanana Makoto na «Fahamarinana» izany. Miisa 500 teo izany ny isan’ny mpianatra efa nandalo tanatin’izay 5 taona izay raha toa 108 eo ireo mianatra ankehitriny. Ny tombony amin’ny fahaizana ilay teny hatreto dia ny fahafahana manome fanofanana ara-kasa na fanohizana fianarana any Japon ho an’ny tanora malagasy. Isan’ny takian’ny japoney foana ny fahaizana ny teniny rehefa mankany aminy, hoy hatrany ny Makoto Institute. Nomarihin’ny ambasadaoron’i Japon miasa eto amintsika, izay tonga nanontrona teny an-toerana, Hitoshi Tojima, moa fa faharoa aty Afrika i Madagasikara amin’ny fianarana teny japoney.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique