airtel

Fampianarana

31-janv-2024

FIANGONANA PROTESTANTA SY NY FAMPANDROSOANA

Mijoro ao Toamasina ny sampan'ny oniversite F. J. K. M. Ravelojaona

Sample post image

Tonga nanao fitsidihana ara-pomba fifanajana ny Governoran'ny Faritra Atsinanana

31-janv-2024

Rafidison Richard Théodore tao amin'ny birao fiasany omaly Talata 30 janoary ny Filohan'ny fiangonana FJKM Docteur Hirako Andriamahazo Ammi niaraka tamin'ireo tompon'andraikitry ny Oniversity FJKM Ravelojaona eto Madagasikara. Nisokatra tamim-pomba ofisialy omaly Talata ao amin'ny sekoly DAVID Jones Anjoma mantsy ny sampan'ity anjerimanontolo protestanta iray ity. Amin'izao fanombohana izao dia ny sampana fitantanana na "Gestion" no misy ao. Tombony lehibe ho an'i Toamasina sy ny Faritra Atsinanana hoy Andriamatoa Governora ny fiorenan'ny Oniversity FJKM ao an-toerana, satria sady mitaiza saina sy vatana no mitaiza fanahy ihany koa. Nanatrika an'izao fotoan-dehibe ireo manam-pahefana ao Toamasina izay nahitana ny Préfet –n’i Toamasina AMBININTSOA Jean José. Ny Lehiben'ny Sampan-draharaha Misahana ny Maha Olona Andriamatoa RATODISON Willy kosa no nisolo tena ny Goverinoran'ny Fatritra Atsinanana. Tafiditra ao anatin’ny asa fampandrosoana sahanin’ny fiangonana FJKM eto amintsika moa izao fampiroboroboana ny sehatry ny fanabeazana tanterahiny izao.
Pati
Legende : Nandritra ny fihaonan’ny filohan’ny FJKM sy ny solontenan’ny governoran’ny Faritra Atsinanana omaly !
 

Dans la même rubrique