Nosokafan’ny Minisitry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana Arak’asa, Dr ANDRIAMAMPANDRY Todisoa, tamin’ny fomba ofisialy omaly ny fifaninanana hidirana taona voalohany eny anivon’ireo Lisea Teknika manerana an’i Madagasikara ho an’ny taom-piofanana 2026-2027. Tao amin’ny Lycée Technique Professionnel Alarobia no nanatanterahana izany, nirarian’ny Minisitra soa ho an’ireo mpiadina manerana ny nosy, nanokafany manoloana ny mpiadina ny valopy voaaro mirakitra ireo laza adina. Mpifaninana manodidina ny 75 000 eo no miatrika ity fifaninanana ity, izay tanterahina amin’ireo foibem-panadinana 188 manerana ny Nosy. Ny 40 000 eo amin’ireo no ho voaray amin’ny lisea teknika 100 manerana ny Nosy.Sampam-piofanana roa no atolotry ny Ministeran’ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana Arak’asa, dia ny FPI (Formation Professionnelle Initiale) hanomanana ny bakalorea profesionnel sy ny FTG (Formation Technologique Générale ) mitovy lenta amin’ny Serie C amin’ny ankampobeny hahafahany miditra amin’ny oniversite sy ny sekoly ambony politika, ka ahitana sokajin’asa miisa 30 ho an’ny FPI ary 03 ho an’ny FTG. Miisa 6 ny laza adina, misy fifaninana iray antsoina hoe : « test psycho-techique » handrefesana ny fahaiza-manaon’ny mpianatra avy aty amin’ny fampianarana ankampobeny hahafahany miditra amin’ny fampianarana teknika sy fanofanana ara-kasa, raha ny fanazavan’ny Talen’ny fanadinam-panjakana Atoa Randriantsivery Jean Rémi. Ho an’ny LTP Alarobia manokaka dia miisa 24 ireo efitranom-panadinana, 866 ny mpiadina, ka ny 91 no vehivavy ary ny 775 lehilahy avokoa, raha ny fanazavan’ny Proviseur an’ny LTP Alarobia Atoa Ramasiampy Jean Réné. Nanome toky ny Ray aman-dReny ny Minisitera fa tsy misy zavatra atahorana, ary ho tahaka izany ihany koa ny BEP sy ny Bakalorea teknika, izay atao anatin’ny mangaraharaha tanteraka. Ao anatin’ny 10 aorian’ny nanombohan’ny fanadinana no hivoaka ny valiny, ka anisan’ny miavaka amin’ity, dia azo jerena « en ligne » ny valim-panadinana noho ny « digitalisation », izay politika napetraka ho an’ny fanadinam-panjakana rehetra eo anivon’ny Minisitera, raha ny nambaran’ny Minisitra Dr Todisoa Andriamampandry.
Toky R