airtel

Fampianarana

09-mai-2023

Fampianarana

Fidiran’ny mpianatra 2023-2024 Hiakatra ny saram-pianarana

Sample post image

Ho mafy indray ny sedra hiandry ireo Ray aman-dRenin’ny mpianatra isan-tsokajiny amin’ny fiatrehana ny taom-pianarana vaovao ho avy io.

09-mai-2023

Mbola tsy mifarana akory mantsy ny taom-pianarana 2022-2023 dia efa mandefa filazana sahady ny sekoly, indrindra fa ireo sekoly tsy miankina fa efa misokatra ny fanavaozana ny fisoratana anarana raha hiakatra daholo ihany koa ireo vola fandoa mifandraika amin’izany. Anisan’ireny ny saram-pianarana izay miakatra hatrany amin’ny 10% eo ho eo isaky ny mpianatra. Ny droit, ny frais généraux…..Manentana sahady ireo Ray aman-dReny araka izany ireo sekoly sasany fa azo aloha tsikelikely izany. Ho an’ny sekoly tsy miankina iray eny Atsimondrano ohatra dia efa nisokatra tamin’ny volana aprily teo ny fanavaozana ny fisoratana anarana ho an’ireo mpianatra ao aminy, hifarana amin’ny volana Jona. Voafetra mantsy hono ny toerana. Hahazo fihenam-bidy izany ireo Ray aman-dReny manao izany manaraka io daty voalaza etsy ambony io, aloha indroa miantona izany hoe ny volana Aprily sy ny Jona mialohan’ny volana Septambra fidiran’ny mpianatra amim-pomba ofisialy. Eo amin’ny 10.000 Ar ka hatramin’ny 40.000 Ar io fihenambidy io. Misy ihany koa ireo efa manomana ny Ray aman-dReny sahady fa afaka mivarotra fitaovam-pianarana ihany koa izy ireny no sady azo aloha tsikelikely saingy tsy maintsy misoratra anarana mialoha. Amin’ny ankapobeny dia mety hanala fahasahiranana ireo Ray aman-dReny ihany ny fisian’ny tolotra tahaka itony saingy na izany aza hivoaka sempotra hany ny isan-tokantrano vao afaka hiaina indray mandritra ny volana maro. Ny saram-pianarana tsy maintsy aloha foana isam-bolana izay alohan’ny fahadimin’ny volana hitsahina ihany koa nefa ny vidin’ny fitaovam-pianarana nalaina trosa manenjika ankoatra ny hofantrano sy ny hofan-jiron’ny JIRAMA. …Tokony mba hifanaraka amin’ny vola alain’ireo sekoly ihany araka izany ny fahaizan’ireo ankizy sy tanora mpianatra ao aminy. Ny zava-misy ankehitriny mantsy dia mitombo ny saram-pianarana aloha isam-bola nefa ny mihena ny fahaizan’ny mpianatra. Hatsipy ny tany any an-tandroky ny omby.
Pati
 

Dans la même rubrique

17-avril-2024

Nisy ny tenimita na naoty navoakan’ny Ministeran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana Ara-tsiansa ny 22 martsa 2024,

Card image cap
17-avril-2024

Mitohy ny hetsika fanentanana ny mpianatra momba ny Fehezam-pitsipika misahana ny fikoloam-pahasalamana

Card image cap