airtel

Fampianarana

14-sept-2022

Fampianarana

Fidiran’ny mpianatra Hanampy ireo Ray aman-dReny tsara vintana ny Airtel

Sample post image

Tsy misy izay tsy mitaraina amin’izao ny isan-tokantrano fa mbola mivoaka sempotra mihitsy manoloana ny fiatrehana ny fidiran’ny mpianatra.

14-sept-2022

Tsy manadino azy ireny ny orinasam-pifandraisana Airtel indrindra fa ho an’ireo mpanjifany. Mikarakara ilay hetsika oio izy ireo ankehitriny ka tsotra ny fandraisana anjara amin’ilay lalao. Alefa sms any amin’ny laharana 281 io soratra io amin’ny sarany 5.000 Ar. Efa nanomboka tamin’ny volana jolay teo ny hetsika ary tsy hifarana raha tsy amin’ny tapak’ity volana septambra ity. Misy amin’ireo mpandray anjara araka izany no mety hahazo lelavola hatrany amin’ny 200.000 Ar isam-bolana raha manodidina ny 75 isa eo ho eo kosa ireo mpandray anjara hahazo tombony amin’izany. Tsiahivina moa fa efa nikarakara ilay lalao Fetibe Airtel sy cash point millionaire ihany koa ny Airtel. Tanjona tamin’ity farany ny mba hahafahan’ny olona mametraka na mampiasa vola amin’ny alalan’ny Airtel Money izay efa nizarana loka mihoatra ny 21 tapitrisa Ar.
Pati
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Misavoritaka tanteraka ny raharaha eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao,

Card image cap