airtel

Fampianarana

28-févr-2023

Fampianarana

Fifanolanana sekoly sy fiangonana zandriny Any amin’ny Filankevi-panjakana ny baolina

Sample post image

Naneho hevitra mikasika ilay raharaha fifanolanan’ny sekolim-panjakana sy ny fiangonana zandriny iray indray ny Minisitry ny fanabeazam-pirenena Rtoa Sahondrarimalala Marie Michelle omaly, tao amin’ny tambajotran-tserasera.

28-févr-2023

Izahay dia tsy tia kolikoly ary tsy tia manery ny mpitsara amin’ny asany. Miezaka manaja ny hafa amin’ny asany toy ny ao amin’ny Fitsarana. Nanao “demande de sursis à execution” ny Fiangonana iray tao amin’ny Fitsarana misahana ny ady ifanaovana amin’ny Fanjakana ao Fianarantsoa mahakasika ny raharaha «hiram-pirenena », mangataka ihany koa fanafoanana izay « acte administratif » mahakasika an’izany ary nangataka onitra ho aloan’ireo mpampianatra”, hoy izy. Nomarihiny kosa anefa fa mbola fangatahana fampiatonana ny fampiharana na « sursis à exécution » no navoakan’ny Fitsarana mahefa amin’izany fa mbola tsy namoaka didy mahakasika ny fampandoavana onitra an’ireo mpampianatra ny Fitsarana satria moa misy ny fitakiana onitra 3 tapitrisa Ar. Nilaza io Minisitra io fa manaraka akaiky ny raharaha ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena ary manantanteraka ny paik’ady mifanaraka amin’izany. Omaly ihany dia nanao “déclaration d’appel” na fanambarana fampiakarana ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena mba hitondrana ny raharaha eny anivon’ny Filankevi-panjakana, raha ny nambaran’io Minisitra io. Nisafidy ny tsy hizara ny pitsopitsony mahakasika ity raharaham-pitsarana ity ny tenako satria mbola mandeha ny Fitsarana, hoy izy. Naneho ny tenany fa tsy mahazo manakiana didim-pitsarana ihany koa izy amin’ny maha mpitsara sy amin’ny tomponandraiki-panjakana. “Manaja ny Fitsarana aho. Manantena kosa aho ny hisian’ny Fitsarana Mahitsy, manara-dalana ary ara-drariny. Manantena Fitsarana miaro ny fiandrianam-pirenena sy ny fanajana ny lalana sy ny fitsipika izay manomboka any an-tsekoly. Mbola mamerina ihany aho. Fantatro fa miaro ny marina ireo mpampianatra. Efa namanareo aho fa tena namanareo mpampianatra aho amin’ity raharaha ity. Miaraka mijoro isika. Malagasy tsy mandohalika”, hoy ity Minisitry ny fanabeazam-pirenena ity. Tany aloha dia efa naneho izy, fa adidy ny manaja ny sainam-pirenena fa tsy safidy. Tsy maintsy manaraka ny fitsipika mifehy ny rafitra iray ianao rehefa misafidy malalaka ny hiditra ao anatiny, ary tafiditra ao anatin’izany ireo sekoly,…

Toky R

 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Misavoritaka tanteraka ny raharaha eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao,

Card image cap