airtel

Fampianarana

05-oct-2021

Fampianarana

Fihetsehan’ny mpandraharaha eny Ankatso “Mety hisy hanararaotra handemena ny fitondrana”

Sample post image

Matoa misy ny fihetsehana ataon’ny mpandraharaha eto Antananarivo, hoy ny filohan’ny sendikan’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra eto Antananarivo, ny Pr Sammy Grégoire Ravelonirina,

05-oct-2021

 dia ny hitsikitsika tsy mandihy foana fa ao raha. Efa heno ihany fa manana olana ny fitondrana eo amin’ny fandoavana karamany, indrindra, ny fanapahan’ny fanjakana ilay antsoina hoe “indemnite de technicite”, izay mba mameno ny karama sady kely no tara lava ny fandraisana azy. Ny SECES sy ny SPATUT na sendikan’ny mpandraharaha ety amin’ny oniversiten’Antananarivo dia toy ny tanan-kavia sy havanana, hoy izy. Izay didiana maharary. Raha misy mahavoa an-drizareo dia mahavoa anay koa satria ao anatin’ilay lazaina hoe toko 3 mahamasa-nahandro izay hifandraisan’ny mpampianatra mpikaroka, mpandraharaha, mpianatra. Eo anatrehan’izany rehetra izany dia miombom-peo tanteraka amin’izay fitakiana maharary ny PAT, ny mpianatra ary ny SECES izay ny SECES Antananarivo ary manao antsoavo amin’ny fitondram-panjakana ny amin’ny amahana faran’izay haingana ny olana satria raha miitatra ireo dia fantatsika ny mety ho fiantraikany. Ho araraotin’ny olona ireny mety hanasoketana handotoana na mety handemena ny tanjaky ny fitondrana. Tokony handinika fatratra ny fitondram-panjakana manoloana izany rehetra izany. Ny karamany no takiana fa tsy miampy amboniny. Ny fampandehanan-draharaha sy ny zo sy hasiny voafaritry ny lalana no takian’ny SECES ka inona no antony tsy hanefan’ny fitondram-panjakana azy, hoy hatrany ny tenany ?
Legende: Pr Sammy Grégoire Ravelonirina, Filohan’ny Seces sampana Antananarivo (Tahirin-tsary)
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Misy olona manaparitaka zava-mahadomelina ao anatin'ny faritry ny onivesite-n’i Barikadimy,

Card image cap
23-avril-2024

Notsiahivin’Atoa Rakotondrainibe Besa Joseph Filohan’ny Filankevi-pitantanan’ny CONAMEPT CONAMEPT

Card image cap