airtel

Fampianarana

18-août-2026

FIKAMBANAN'NY

MPIANATRA ENY ANKATSO

Sample post image

Mitaky ny hanendrena maika ny talen'ny CROUA

18-août-2026

Mitaky ny hanendrena maika ny talen'ny CROUA, tompon'andraikitra voalohany misahana ny trano fonenan'ny mpianatra ireo Filohan'ny fikambanan'ny mpianatra eny Ankatso. Nampiantso mpanao gazety izy ireo omaly Alatsinainy 17 Aogositra ka tamin'izany no nitanisan'izy ireo ireo olana marobe sedrainy vokatr'io fahabangan-toeran'ny talen'ny CROUA io. Lohalaharana amin'ireny ny tsy fandehanan'ny asa fanamboarana ny trano fivoahan'ny mpianatra izay efa 7 volana izao no niandrasana azy. Rehefa nanontaniana mikasika izany ny Ministera tompon'andraikitra hoy izy ireo dia nilaza fa tetikasan'ny Fiadidian'ny Repoblika izany ka tsy misy fantany. Toraka izany koa ny resaka famatsiana rano fisotro madio. Ekena hoy ireo nandray fitenenana nisolo tena ny mpianatra fa misy ny famatsian-drano amin'ny alalan'ny kamiao tonga eny Ankatso sy Ambatomaro saingy olana hatrany ny fitsinjarana izany. Nambaran'izy ireo koa fa misy tompon'andraikitra mandrahona azy ireo mafy ao anatin'io Ministera iray io ary milaza fa akaikin'ny Filohan'ny Fanavaozana sy ireo mpanolon-tsaina avo 5 mirahalahy ka tokony hojerena akaiky. Notsiahivin'ireto Filohan'ny fikambanan'ny mpianatra eny Ankatso ireto moa fa teny Ankatso no niandoha ny tolona nandravana ny jadona sy ny forongony teto amin'ny Firenena. Manantena izy ireo araka izany fa tsy hanosi-bohon-tanana azy ny Filohan'ny Fanavaozana amin'izao hetaheta sy fangatahan'izy ireo izao.
Pati
Légende : Ireo Filohan'ny fikambanan'ny mpianatra nitafa tamin'ny mpanao gazety omaly !
 

Dans la même rubrique