airtel

Fampianarana

07-juil-2022

Fampianarana

Fikambanana ADS Nampiandraketina fanaraha-maso ny fanabeazana

Sample post image

Ny fikambanana ADS na “Abattoir – dynamique – solidarité’’ nalaina tamin’ny asa iveloman’ny mponina eo Ampasika, fokontany Anosimasina, distrikan’Atsimondrano,

07-juil-2022

dia mifototra amin’ny asa sosialy sy miaro ny zon’ny mpanjifa, ny voafonja, ny kilemaina, ny vehivavy, ny ankizy ary misehatra amin’ny lafin-javatra maro, hoy ny filoha mpanorina, Lova Andrianjaka. Nampandraketan’ny minisiteran’ny fampianarana ny fanaraha-maso eny amin’ny ambaratonga voalohany sy faharoa dia ny CEG sy lisea ny fikambanana tamin’ity taona 2022 ity, hoy izy, izay eo ambany fiahian’ny hetsika Rohy. Ny resaka fikambanana miforona anaty fampianarana toy ny fikambanan’ny ray aman-drenin’ny mpianatra moa no isan’ny nampisahanina azy. An-tsitrapo no hanaovan’ny fikambanana izany. Mivelatra amin’ny distrikan’Atsimondrano ankehitriny ny asan’ny fikambanana ary ny faniriana moa dia ny hipariahany manerana ny nosy saingy mbola fikambanana miana-mandeha izy ity. Fampiroboroboana ny fiainan’ny mponina no tanjona ary isan’ny hitsanganan’ny ADS ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana eo amin’ny fokontany sy kaominina. Isan’ny paikady ny fijoroan’ny vatan-dehilahy anaty fikambanana manara-maso izay endrika tsy fandriampahalemana eny amin’ny fiarahamonina sy elakelantrano izay. Ezahana koa ny hetsika atao rehetra mba hisoroka ny fidorohana zava-mahadomelina sy fidonanam-poana, indrindra, ho an’ireo tanora, hoy hatrany ny filohan’ny ADS, Lova Andrianjaka.
J. Mirija Legende: Ry zareo ao amin’ny ADS

Dans la même rubrique

25-avril-2024

tapitrisa Ariary ho an'ireo mpianatry ny sekoly ny Ray mpiahy ny fankalazana sady filoha

Card image cap
25-avril-2024

Tsy zakan’ireo mpianatra ao amin’ny Lisea Morarano distrikan’Ihosy intsony ny fitiavam-bola diso

Card image cap
24-avril-2024

Misy olona manaparitaka zava-mahadomelina ao anatin'ny faritry ny onivesite-n’i Barikadimy,

Card image cap