Ray aman-dReny. Na ny fitafiana hanaovan’izy ireny aza tsy misy, ny sakafo hohaniny, antony hijoroan’ny Fikambanana Tsaramanasoa eny Ambavahaditokana Itaosy nanangana ilay centre du jour mandray sy mampianatra ireo zaza tena sahirana eny amin’iny faritra iny. Renay hoy izy fa misy ny fananganana sekoly manara-penitra etsy sy eroa saingy sahiko ny milaza amin’ny maha-fikambanana Tsaramanasoa ahy fa tsy vitan’ny fanjakana irery ny handray ny mpianatra eny amin’ny EPP sy ny CEG. Ny 65%-n’ny Malagasy rahateo raha araka ny fanazavany dia tanora avokoa. Manampy trotraka izany hoy izy dia nanao sonia ny fifanarahana iraisam-pirenena momba ny fanajana ny zon’ny ankizy isika noho izany tokony hiditra an-tsekoly avokoa ny ankizy rehetra. Miantso ny Fitondram-panjakana mba hijery ireo karazana fikambanana mandray an-tanana ireo zaza sahirana tsy afaka mianatra toy ny Fikambanana Tsaramanasoa araka izany ny tenany. Toraka izany koa ireo malala-tanana eto amintsika. Tsiahivina moa fa nahatratra 70% ny taham-pahafaham-panadinana CEPE farany teo ho an’ny sekoly tsy miankina tantanan’ny fikambanana Tsaramanasoa. Hisokatra amin’ity taom-pianarana vaovao ity ny kilasy faha-enina mihoatra hoy ny fanazavana. Tsiahivina fa miisa 230 ireo mpianatra tao amin’izy ireo tamin’ny taon-dasa izay marihina fa zanaky ny sahirana ny ankamaroany. Nisy ihany moa ny tokony ho fandraisan’anjaran’ny Ray aman-dReny amin’ny fianaran’izy ireo aloha isam-bolana saingy raha vantany vao takiana izany ireto farany dia ajanony tsy mianatra avy hatrany ny zanany.
Pati
Legende : Ranaivoson Patrice, filohan’ny Fikambanana Tsaramanasoa !