airtel

Fampianarana

25-août-2023

Fikasihan-tanana mpianatra

“Tsy tokony ho vitavita fotsiny, sokafy ny fanadihadiana”

Sample post image

Manoloana ny fikasihan-tanana nahazo ireo zandry, zanaka, mpianatra teny ankatso anio alakamisy,

25-août-2023

hoy ny fanehoan-kevitry ny kandida ho filoham-pirenena, Tahina Razafinjoelina, omaly, dia aoka ampahatsiahivina fa ankizy mitaky ny fiverenana an-dakilasy ireo. Raha ny vahaolana no jerena dia ny fandoavana ny karaman’ny mpampianatra izay efa tsy voaray hatrany amin’ny taona 2019 no tsara himasoana, hoy izy. “Mino sy manantena aho fa handray ny andraikiny ny fitsarana ka hanokatra fanadihadiana fa tsy sanatria handalondalo fotsiny amin’izao ireny zava-nitranga ireny. Manan-danja ny fanabeazana”, hoy I Tahina Razafinjoelina. Andrasana ny ho tohin’io ary tsy tokony ho vitavita fahatany, tena zava-dehibe ny fanadihadiana. Iza ohatra no sahy miteny sy manamarina fa ireny tanora nodarohana sy nosamborina ireny tokoa no hoe nitora-bato sy naniratsira mpitandro filaminana ? Ahoana no hanamarinana fa tena mpianatra marina no nitora-bato ? Fa misy ihanykoa anie ny hoe:fampiasan-kery diso tafahoatra na “utilisation excessive de la force” izay azo hanenjehana ny mpitandro filaminana satria misy fetrany ny fampiasana hery fa tsy tahaka ireny kosa angamba!?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

24-juil-2024

Mampiaka-peo manoloana ny olana samihafa miverimberina ny mpianatry ny oniversiten’Antananarivo

Card image cap
24-juil-2024

Anisany mpandray anjara tamin'ny hetsika Madagascar school Fair teny amin'ny Radisson Blu

Card image cap
24-juil-2024

Hafakely ny tranga nandritry ny fanadinana bakalorea tany Ambositra ny andro voalohany,

Card image cap