airtel

Fampianarana

24-mai-2022

Fampianarana

Filohan’ny SECES Antananarivo “Mba mamakia boky ianareo tompon’andraikitra ireo”

Sample post image

Ny lalampanorenana ao amin’ny andininy faha 95 dia milaza fa ny lalana no mamaritra ny fitsipika mifehy, isany ny I.14, mifehy ny sata manokan’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra,

24-mai-2022

hoy ny filohan’ny sendikan’izy ireo eto Antananarivo na SECES Antananarivo, Pr Sammy Gregoire Ravelonirina, nanazava ny tohin’ny hetsika ho ataon’izy ireo teny Ankatso omaly. Eo koa ny mifehy ny fizakan-tenan’ny oniversite, hoy izy. Io andinin-dalana io dia am-piheverana no nanaovana azy satria miantoka ny fizakan-tenan’ny oniversite na amin’ny lafiny fitantanana ankapobeny na ara-bola ary indrindra, ara-pikarohana, ara-pedagojika, akademika. Efa mankaleo sy tsy tokony hiseho masoandro intsony ny fahitana fitokonana miverimberina ety amin’ny anjerimanontolo. Ny toko telo mamasa-nahandro ety dia ny mpampianatra, mpianatra, mpandraharaha foana no tratra farany sy lazaina fa mpanakorontana, tsy mahandry tantana sy izao sy izao rehefa misy ny tsy fietezan-javatra. Ny mpitondra any ambony faly mifanilika andraikitra fotsiny. Misy endrika famotehana mivantana na an-kolaka ny oniversitem-panjakana tsikaritray. Na ny vatsim-pianaran’ny mpianatra tsy aloha ara-potoana na ny fampitaovana rehetra sy fampandehanan-draharaha atao tara be ny fandefasana azy. Zara raha misy tonga. Na ny karama aza ho an’ny PAT dia efa ho 15 andro aty aoriana ary ilana fitokonana vao azo. Tsy vao androany anefa no nisy ny lalana mikasika izany sy ny fitondram-panjakana mandoa karamana mpiasam-panjakana. Mahagaga fa mbola mikaviavia be ireo tomponandraikitra ka izay no antony hangatahanay ilay fizakan-tena. Nalohan’ny HCC ambongadiny moa ilay lalana 2021-28. Tsy mahay angamba ny antenimiera roa tonta sy ny mpampianatra ety amin’ny anjerimanontolo. Mahita izahay fa miendrika fanapahan-kevitra ara-politika ireny nefa ny hoavin’ny firenena no tokony jerena fa tsy ambom-po na kajikajy politika any ambandika any. Raha azon-drizareo ny dikan-teny rehetra voalaza ao amin’ilay lalana natolotry ny SECES nampitondrana ny anaran’ny depiote tamin’ny fotoan’androny Rasoazananiera Monique Ernestine dia angamba tsy hametraka izy hoe avy amin’ny ankolafin’ny inona na inona no nametraka an’io? Tokony ho hitany koa avy eo hoe hay ve ny fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny minisitera mpiahy ihany no nanolotra an’itony. Mba mamakia boky! Misy ilay hoe “Innovation de la gestion des universités” navoakan’ny UNESCO. Mba vakio ireny fa ahitana taratra ny fitantanana ny lafiny rehetra ny oniversitem-panjakana sy ahitana taratra ny fandrosoan’ny oniversite anglo-saxon mitaha amin’ny oniversite francophone, hoy hatrany ny tenany. Nanazava ny toe-draharaha tamin’ireo mpianatra teny amin’ny Oniversiten’Antananarivo moa ny SECES omaly.
J. Mirija
Legende : Fanaraha-maso ireo mpianatra hiditra tao amin’ny Q1 teny Ankatso omaly
 

 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Nanomboka omaly 22 hatramin’ny 26 aprily ny herinandro maneran-tany ho an’ny fanabeazana,

Card image cap
23-avril-2024

Efa saika vita avokoa ny fandaharam-pianarana taonam-pianarana 2023-2024

Card image cap