Isan’izany manomboka rahampitso (TTF: anio) ny resaka fitantanana tetikasa na “gestion de projet”, hoy izy. Eo koa ny resaka fitsirihana anatiny na “audit interne”. Ny fitantanan-draharaham-panjakana sy ny hafa rehetra. Fiofanana samy handeha amin’ity herinandro ity daholo izany. karazany ny olona miofana ato. Misy mpiasam-panjakana, misy amin’ny sehatra tsy miankina, mpiasam-panjakana ambony, tomponandraikitra ambony, mpianatra, izany hoe, tsy mifidy ary sady misy teratany Malagasy no vahiny. Aman’andro, toy ny hoe 2 na 3 andro ny fiofanana nefa dia afa-po ireo mpiofana matoa misy miverina in-dimy ary manaraka fiofanana samihafa hatrany. Efa fironana manerana izao tontolo izao mihitsy ankehitriny io fiofanana aman’andro na ilay antsoina hoe “formation a la carte” io. Na eto Madagasikara aza efa maro no manao azy. Ny anay moa dia ny endriny amerikanina no nofidinay, izany hoe, misy sakafo na ody am-bavafo toy ny “pause café” sy ody refona na “cocktail”, hoy isika. Lafo sy tsy zakan’ny malagasy ilay izy raha atao toy ny any amin’ny firenen-kafa fa miezaka isika mametraka sarany zakan’ny maro. mitentina 175.000 Ariary izao ny anay no farany ambany, hoy hatrany ny tenany
J. Mirija
Legende: Yves Raheriniaina