airtel

Fampianarana

08-févr-2024

Fiofanana « Technologies du cloud » an’ny Google

Mpianatry ny ITU ny 50 amin’ireo 200 hisitraka

Sample post image

Ny volana janoary lasa teo no nanombohana ofisialy ny tetikasa

08-févr-2024

fiaraha-miasan’ny ArkeUP, Google Cloud, ary ny Minisiteran’ny fampiroboroboana ny nomerika sy ny paositra ary ny fifandraisan-davitra na MNDPT. Anisan’ireo oniversite lehibe Malagasy miisa 5 mandray anjara amin’io tetikasa io, izay mikendry ny hanofanana mpianatra Malagasy miisa 200 amin’ny lafiny « Technologies du cloud » ny IT University na ITU. Mpianatra 50 avy amin’ny ITU noho izany no afaka hanaraka io fiofanana io maharitra 6 volana, ka hahazo ny iray amin’ireo mari-pahaizana iraisam-pirenena omen’ny Google cloud dia ny Cloud Digital Leader, Associate Cloud Engineers, Data Analyst. Maneho fankasitrahana sy manamafy ny maha zava-dehibe ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka aminy amin’ny fanamorana ny fampidirana amin’ny sehatra ny asa ho an’ny tanora amin’ny tontolon’ny informatika moa ny ITU, izay isan’ireo oniversite sangany eto Madagasikara amin’ny tolotra momba ny fiofanana amin’io sehatry ny informatika io sy ny tontolon’ny teknolojia.
Toky R

 

Dans la même rubrique