airtel

Fampianarana

17-août-2021

Fampianarana

Fisoratana anarana - Sekolim-panjakana 22.000 Ar isaky ny mpianatra ny vola aloa

Sample post image

Nanomboka omaly alatsinainy 16 aogositra ny fisoratana anarana eny anivon’ireo sekolim-panjakana eto amintsika ho an’ny taom-pianarana 2020-2021.

17-août-2021

 Velon-taraina mafy ny ankamaroan’ireo Ray aman-dReny amin’ny ankapobeny noho ny havesatry ny vola aloa. 22.000 Ar isaky ny mpianatra mantsy izany raha kely raha araka ny fitarainan’ny Ray aman-dRenin’ny mpianatra iray. Tsy maintsy mandoa 66.000 Ar araka izany raha manan-janaka miisa 3. Tsy misy ny fihenam-bidy mihitsy hoy hatrany ny Ray aman-dRenin’ny mpianatra iray nanaiky niresaka taminay. Eo an-danin’izay anefa hoy izy dia mbola tsy maintsy hitadiavam-bahaolana ihany koa ny vola hividianana fitaovam-pianarana izay manodidina ny 80.000 Ar isaky ny mpianatra ihany koa raha kely indrindra. Araka ny fanadihadiana natao teny anivon’ireo sekolim-panjakana sasany moa dia fantatra fa miankina amin’ny isan’ireo mpampianatra FRAM ny vola alohan’ny Ray aman-dReny eny anivon’ny talen-tsekoly. Toraka izany koa ireo kojakoja ilaina ho fampandehanan-draharaha. Misy mantsy mahatratra 8 ireo mpampianatra FRAM mbola tsy voaray ho mpiasam-panjakana tsy maintsy handoavam-bola nefa mampianatra manao ny ainy tsy ho zavatra ka tsy azo jerem-potsiny. Samy manana ny fanapahan-kevitra raisiny kosa ny sekoly tsirairay manoloana ny fihenan’ny vola alohan’ny Ray aman-dReny raha manan-janaka mihoatra ny iray izy ireny.
Pati

 

Dans la même rubrique

17-avril-2024

Nisy ny tenimita na naoty navoakan’ny Ministeran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana Ara-tsiansa ny 22 martsa 2024,

Card image cap
17-avril-2024

Mitohy ny hetsika fanentanana ny mpianatra momba ny Fehezam-pitsipika misahana ny fikoloam-pahasalamana

Card image cap