airtel

Fampianarana

01-sept-2022

Fampianarana

Fitakiana vatsim-pianarana Nangotraka indray ny grevy teny Vontovorona

Sample post image

Nitohy omaly ny grevin’ny mpianatra teny amin’ny Sekoly ambony politeknika Vontovorona. Misy ny 3 volana tsy mbola azo, ao ny vatsim-pianarana nanaovana fanamarihana na “reclamation”.

01-sept-2022

Raikitra ny fanakan-dàlana, nisy ny fifandonana, toraka vato sy biriky,… nataon’izy ireo nanoloana ny mpitandro filaminana izay tonga teny an-toerana. Ny volana hitsahina no tokony handoavana ny vatsim-pianarana. Iandrasana grevy vao misy mihetsika, avy eo vao hoe mandeha ny fifampiresahana, hoy ny mpianatra, izay naneho fa betsaka ny tsy mbola nahazo vatsim-pianarana. Efa tonga teny an-toerana nandamina ny vatsim-pianarana ny avy amin’ny Minisitera omaly. Efa nandeha ny fandaminana ny lisitra, vitsy no voarain’ny Minisitry ny paositra. Mbola nisy ny fandraisana “réclamation” teny Vontovorona omaly. Lisitra avy amin’ny oniversite no iaingana, tsy ampy ny lisitry ny mpianatra nanao fanamarihana nalefan’ny oniversite, hoy ny Talen’ny famoahana ny vatsim-pianarana eo anivon’ny Minisiteran’ny fampianarana ambony Atoa Andriambinintsoa Toky tamin’ny haino aman-jery iray omaly. Tsara ihany koa ny mampahatsiahy, fa ho tapitra ny fe-potoana 72ora nomen’ny Fikambanan’ny mpianatra eny Ankatso ka milaza ny hihetsika mafy kokoa izy ireo, raha sanatria ka tsy mivaly ny fitakiana.
Toky R 

Dans la même rubrique

17-avril-2024

Nisy ny tenimita na naoty navoakan’ny Ministeran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana Ara-tsiansa ny 22 martsa 2024,

Card image cap
17-avril-2024

Mitohy ny hetsika fanentanana ny mpianatra momba ny Fehezam-pitsipika misahana ny fikoloam-pahasalamana

Card image cap