Nisy tsy fahatomombanana ny bakalorea 2019, ary nisy ny sakoroka niseho tamin’ny endriny maro. Niafara tamin’ny fanesorana ny Minisitry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa Pr Blanche Nirina Richard ny olan’ny bakalorea sy ny tontolon’ny fampianarana ambony tamin’izany. Isan’ny nanamarika ny fiandohan’ny taom-piasan’ny Fanjakana Rajoelina izany. Mifanarana ny 5 taona nitantanana, dia miverina indray izy ankehitriny, voatery naato ny laza adina ho an’ny taranja Histo-Geo na ny Tantara sy Jeografia ho an’ny ho an'ireo sokajy A, C, D omaly, nanerana an’i Madagasikara. Voatery nosoloina ny laza adina noho izy voalaza fa efa nisy namoaka nialohan’ny fotoana teny amin’ny tambajotran-tserasera. Saika nahitana olana avokoa nanerana ny Nosy satria niara-novaina ny laza adina na nisy aza ny faritra na distrika tsy naharaka ny fisian’ny fivoahan’ny laza adina nialohan’ny fotoana. Nisy hatramin’ny mpiadina miisa 4 torana tany Toliara noho ny fanapahan-kevitra hanovana ny laza adina. Ny tany Vakinanankaratra olana be tahaka ny tany Betafo sy ireo distrika maro eny fa na ny tao Antsirabe Renivohitra aza,… Tara avokoa ny fanombohana, nisy aza tamin’ny 6ora hariva ny mpiadina vao niditra tamin’ny laza adina tamin’io taranja io. Betsaka ny faritra sy toerana voatery nasaina nitondra jiro labozia ny mpiadina, eny fa na ny teto Antananarivo Renivohitra aza satria delestazy. Fifantohana inona intsony no ho vanona ao anatin’izany? Hanao ahoana ny ho fiantraikany amin’ny taranja hafa ? Tao anatin’izao fitondrana izao no nahitana fanaovana tsirambina indrindra ny fampianarana. Ireharehana fa nahavita sekoly manara-penitra maro tokoa ilay fitondrana, fa ny tontolon’ny fampianarana tena tantara sy jeografia marina raha raisina amin’izao bakalorea izao. Mitady izay hanilihana lava, hany ka dia novoizina teny amin’ny tambajotran-tserasera indray fa sabôtazin’ny mpanohitra. Miezaka mbola manilika ny tsy fahombiazana amin'ny mpanohitra indray. Mbola tsy nanomboka anefa ny Bakalorea dia efa nandindona ny olana, toy ny fahalainan’ireo mpiambina na « jury» satria an-taonany vao mivoaka ny tambin-karama, toy ny hoe : 2019-2020 aty amin’ny 2023 vao voaray. Tsy nahita vahaolana amin'ny ivoahana laza adina mialohan’ny fotoana efa nitranga tamin'ny 2019, voatery nanaovana « session spéciale » ka dia misy mbola hitehaka ihany ve lehiretsy manoloana izao tranga izao ? Hanao ahoana ny lentan’ny Bakalorea 2023 izay mety hiantraika amin’ireo tanora ? Fanadinam-panjakana aza tsy voafehy mainka fa firenena ?
Toky R