ny Kaominina Imerintsiatosika
Kely mahay sady kinga ny zaza Malagasy. Hita taratra izany amin'ireo fifananinana iraisam-pirenena andraisan'ny tanora Malagasy anjara any ivelany any. Voaporofo ihany koa io haranitan-tsain'ny zaza Malagasy io amin'ireny fanadinam-panjakana isan'ambaratonga isan-taona ireny. Ho an'ny fanadinana Bakalôrea 2026 farany teo izao dia zazalahy kely vao 10 taona, ao Moramanga, fantatra amin'ny anarana hoe : Raitra no zandriolona indrindra tamin'ireo afa-panadinana. Anisan’ireo zandriny indrindra nahazo ny bakalôrea tamin’ny fanadinana farany teo ihany i Rakotomalala Fitia Fenohasina Ambinintsoa. Tovovavy 13 taona izy, vavimatoa zanaky ny ray aman-dreniny, izay zanaky ny Kaominina Imerintsiatosika. Nomen'ny Kaominina fankasitrahana ity tovovavy kely ity, noho ny ezaka vitany. Niarahaba azy manokana koa ny Ben'ny tanàna Parisoa Andriambolanarivo taorian’ny fananganan-tsaina ny Alatsinainy maraina. Nambaran'ny Ben'ny tanàna tamin'izany ihany koa fa horaisin'ny Kaominina Imerintsiatosika an-tanana ny fandoavana ny saram-panadinan'i Fitia sy ny saram-pisoratany anarana amin’ny fianarana izay ho ataony. Mbola telo taona latsaka Fitia no niditra an-tsekoly. Mpianatra tamina Lycée tsy miankina ao Imerintsiatosika i Fitia nanomanany ny fiatrehany ny bakalôrea "Série A1". Nampiaiky volana ireo mpanabe azy, eny fa ireo mpiambina nandritra ny fanadinana Bakalôrea ny fahaizan'ity zaza ity. Ny handalina momba ny fitantanana orinasa no fikasany hanohizana ny fianarana ary hanangana orinasa azy manokana no mba nofinofiny any aoriana.
Jean D.