airtel

Fampianarana

29-juin-2026

FITONDRANA FANAVAOZANA

Mampihatra diplaomasia tsara kajy

Sample post image

Mahavelom-panantenana ho an'ny

29-juin-2026

fiverenan'i Madagasikara eo anivon'ny vondrona afrikanina indray ny fanatrehana filoham-pirenena sy tompon'andraikitra ambony avy amina firenena afrikanina ny matson'ny 26 jona teny Mahamasina. Manaja lamina mazava tsara ny fifandraisana iraisam-pirenena ka ny rafitra isam-paritra, manakaiky kokoa ilay firenena tahaka ny hoe vaomieran'ny ranomasimbe Indiana (COI) na ny SADC no manapa-kevitra voalohany aloha izay vao miakatra any amin'ny vondrona afrikanina (UA) ary farany ny firenena mikambana (ONU). Ny resaka hoe filoha lanim-bahoaka ara-pomba demokratika amin'ny alalan'ny fifidianana azo antoka, eo ihany fa ny tena takiana amin'ny firenena sokajiana fa nandalo krizy politika dia ny fomba sy tetiandro mazava hamahana ny krizy, ny fandaminana sy fampihavanana ary ny datin'ny fifidianana. Ho an'i Madagasikara manokana dia iny efa niaraha-nahita iny ny fanombohan'ny fikaonandoham-pirenena izay tsy maintsy ho fehezina amin'ny fandrafetana lalampanorenana vaovao, manaraka izay ny fifidianana filoham-pirenena. Ny dikan'izany dia mandeha amin'ny lalan'ny famahana olana i Madagasikara ary efa mahita tsara an'io ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Etsy ankilan'izay tsy nisy hoe fidangan'ny vidim-piainana tsy hay fehezina teto na fitotonganan'ny sandam-bola, mandeha tsara ny fifanakalozana ara-barotra . Tsy mitombina ny fanasokajiana an'i Madagasikara hoe firenena anaty krizy, tsy misy ady an-trano eto, tsy misy milisy mitam-piadiana miady amin'ny fanjakana foibe.Tena lojika be arak'izany ny fiverenan'i Madagasikara eo amin'ny sehatry ny fifandraisana, fivoriana ary any anatin'ireo rafitra mpanapa-kevitra ao amin'ny SADC sy ny vondrona afrikanina ohatra. Inoana fa misy ifandraisany amin'izany ny fanendrena masoivoho fa-ramparany teo sy ny dian'ny filohan'ny fanavaozana tany Afrika, ary tsapa hoe nanao ezaka manokana teo amin'ny sehatry ny diplaomasia ny kolonely Randrianirina Michael sy ny ekipany; niezaka nandanjalanja tsara fa tsy taitaitra na maika hanapa-kevitra. Tena saropady tokoa mantsy ny fifandraisana iraisam-pirenena indrindra ho ana firenena sahirana tahaka an'i Madagasikara ka tsy vitan'ny tendrim-po tsy mba namana fa tena mila fahaizana sy fahamailoana.
RTT
 

Dans la même rubrique

22-juil-2026

hosoka, roa hafa narary tampoka

Card image cap