airtel

Fampianarana

25-janv-2024

Fitsapan-kevi-bahoaka momba ny fampianarana

Vaky am-batolampy ny tsy fahaiza-miasan'ny fanjakana

Sample post image

Nitana ny sain’ny maro ary niteraka adihevitra tsy hifankahitana tao anatin’ny telo andro ny

25-janv-2024

tsapan-kevitra na «sondage» nataon’ny Minisitry ny fanabeazam-pirenena Rtoa Sahondrarimalala Marie Michelle nanao hoe : tsy ampy 2 000 000 isa ny dabilio eny amin’ny sekolim-panjakana. 45 000 dabilio isan-taona anefa no natokana hatreto ao anaty tetibolam-panjakana, raha ny nambarany. Tombanana ho 100 000 Ar hatramin’ny 250 000 Ar eo ny sandan'ny dabilio iray. Vonona ny olom-pirenena hanome dabilio iray isan-taona ho an’izy ireo ; tsy manome vola fa manolotra dabilio. «Tena vonona tanteraka tompoko ary tsy hijerena loko politika ny fanabeazana. Fa mba miangavy : aoka re ny fanjakana tsy handany vola amin'ny rendrarendra sy ny fandaniana tsy mitondra soa fa mba izay tena hitondra fandrosoana mankany amin'ny famokarana no ilofosana.", hoy i Tahina Razafinjoelina, mpampianatra, kandida Filoham-pirenena tamin’ny fifidianana teo. Raha 67% namaly « Eny » ary 33% kosa nanao « Tsia » hatramin’ny talata tamin’ny 8 ora alina, dia nitsimbadika io 24 ora taty aoriana, ka 25% tamin’ireo olona manodidina ny 10000 naneho hevitra no nanao «Eny », ary 75% kosa nanao «Tsia », izay heverina fa tsy noho ny tsy fitiavana hanohana ny fampianarana, fa fampisaintsainana ny fitondrana tena hanatanteraka ny adidiny amin’io sehatra io. Henjana ny fenohan-kevitra sy ny tsikera. Ny governemanta no mamolavola ny tetibolam-panjakana ka nahoana no hanaovana tsapan-kevitra amin’ny resaka tsipaipaika ny dabilion’ny mpianatra kanefa mahita vola tsy toko tsy forohana amin’ny zavatra hafa raha tsy hilaza afatsy ny teleferika handaniana (153 tapitrisa euros na 770 miliara Ar eo sy kianja etsy sy eroa ka i Mahamasina ohatra nandaniana 77 tapitrisa euros na 300 miliara Ar eo? Mampiharihary ny tsy fahaiza-mitantana hoe : manana teleferika fa tsy mahavidy dabilo !? « Mahazo dabilio 280x12 ny solika ho an’ny Filohan’ny Antenimierandoholona, izany hoe hoe : 3360 dabilio isan taona. Ny birao maharitra mahazo 21x12 na 252 dabilio isan’olona isan-taona. Firy moa ny birao maharitra? Ny loholona tsotra mahazo 10x12 na 120 dabilio isan taona .Mahazo 200 x12 kosa ny an’ny depiote raha atao ny salan’isa, izany hoe : 362400 dabilio na 1 812 000 dabilio mandritra ny taom-piasana iray, izy 151 io. Solika fotsiny no resaka eto. Hiteny zao zareo mpomba hoe mialona indray aho fa tsy maninona. Raha manao kajy izany ny minisitra dia azo ilay dabilio 2 000 000 isa,…», hoy i Laza Razafiarison mpanao politika. Fa maninona raha amidy ireo fiaram-panjakana sasany hamonjena hividianana an' ireo dabilio 2000000 isa ireo ? Mahavita zavatra betsaka ny vidin' ny fiara no sady mampihena ny solika lany. Fa azo tsoahina koa ireny omena ampiasain'ny Mpitandro filaminana, fa tena tafahoatra ny tsy fandriampahalemana no sady mankaleo be ilay maheno olona mitory dia hoe hiantohy « frais » izahay fa tsy afaka misambotra na midina ifotony raha tsisy « frais », fa sady tsisy fiara no tsisy solika... », hoy ny mpanao gazety iray.
Toky R


 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Tafakatra 70% ny tahan’ny tsy fananan’asa mahazo ireo tanora latsaky ny 30 taona eto amintsika.

Card image cap