tambazotran-tserasera sy amin'ireo Ray aman-dRenin'ny mpiadinano nosamborin’ny zandary. Vokatry ny fiaraha-miasan’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny vondron-tobim-paritry ny zandarimariam-pirenena ao Ambohidratrimo no angady nananana izany. Raha araka ny fantatra dia mpampianatra amina sekoly tsy miankina amin'ny fanjakana ny roa amin'izy ireo, raha olon-tsotra kosa ny roa ambiny, ka ireto farany no mitady an'ireo izay liana. Ny Tale jeneralin'ny Ministeran'ny Fanabeazam-pirenena sy ny Kapiteny Kaomandin'ny Vondron-tobim-paritra Ambohitratrimo, izay nidina ifotony teny Talatamaty kosa no nahatratra azy ireo.Maro no efa voafitak'izy ireo ary laza adina sandoka avokoa ireo naparitaka sy namidin'izy ireo 50.000 Ar ny iray, sady nitarika fikorotanan-tsaim-bahoaka. Anio Alarobia 05 Jolay no hiakatra fampanoavana izy 4 mianadahy ireto. Anisan’ny vesatra hiampangana azy moa ny "asa fisolokiana, fanaovana sy fampiasana hosoka, ary fanakorotanana filaminam-bahoaka".
Nangonin’i Pati
Legende : Ireto izy 4 mianadahy sy ireo laza adina hosoka nampiasainy