airtel

Fampianarana

08-mars-2023

Fampianarana

Fonenana tsizarizary, “bourses” tara lava,… Nangotraka indray ny grevin’ny Politeknika

Sample post image

Tapitra ny fe-potoana 48 ora nomen’ireo mpianatry ny Oniverste politeknika Vontovorona hamahana ny olan’izy ireo, ka dia raikitra indray ny grevy mahery vaika omaly.

08-mars-2023

Nivoaka ny toeram-pianarana nanakan-dàlana sy nandoro kodiarana ary nampikatso ny fifamoivoizana sy ny raharaha teo anivon’ny toeram-pianarana indray ireo mpianatra omaly naneho ny tsy fahafaliany eo anatrehan’ny olana mitarazoka. Niditra an-tsehatra teny an-toerana nandrava ny hetsika noho izany ny mpitandro filaminana, hany ka vao mainka nafana rà ireo mpianatra. Raikitra ny fifamaliana tamin’ny tora-bato sy baomba mandatsa-dranomaso. Nanaitra ny fahasahian’ireo mpianatra noho ny fahatezerany ka nisian’ny fiaraha-miredona sy teny maloto mihitsy aza hoe: “Andry Rajoelina ma……..”. Vokany, miisa 5 ireo naratra, ka mpitandro filaminana ny 2 izay naratra voatoraka teo amin’ny vavany ary ny iray teo amin’ny orony, raha toa ka mpianatra kosa ny 3 izay vehivavy ny iray. Mpianatra iray no voasambotra, nosazian’ny mpitandro filaminana, ary navotsotra avy eo. Marihina fa teboka dimy teo no notakian’ireo mpianatra, ka tafiditra amin’izany ny fanatsarana ny toeram-ponenana Bloc 13 noho ny fahamaizana efa 3 volana tsy voaarina sy ireo hafa efa may hatry ny ela, ny fotodrafitrasa tsizarizary, ny olan’ny jiro sy rano, fa teo ihany koa ny fitakiana vatsim-pianarana. Mitaky ny hamoahana ny tetiandro hizarana ny vatsim-pianarana faran’izay haingana izy ireo satria miaina anaty fahasahiranana amin’ny fiatrehana ny fianarana. Tahaka izany ihany koa ny fitakiana vahaolana amin’ny “Réclamation 6 et 7ème mois”. Momba ireo fotodrafitrasa, mitaky ny hitondrana vahaolana ny amin’ny fanoloana sy fanamboarana ireo “Disjoncteur” simba sy maty ka mahatonga ny fatapahan-jiro matetika sy miverimberina, ny fanavaozana ireo « installations electriques », toeram-pidiovana sy fivoahana efa simba sy antitra ka tsy azo ampiasaina intsony,... Mandoa hofan-trano 18000Ar isan-taona izy ireo, saingy milaza fa tsy handoa intsony raha tsy mivaha ny olana satria tery, 20m2 ho an’ny olona 6,... Momba ny vatsim-pianarana, rehefa tsy voavahan’ny Minsiteran’ny fampianarana ambony sy ny paositra dia avereno aty hitanananay azy, hoy hatrany ny mpianatra. Manome fe-potoana hatramin’ny volana martsa noho izany izy ireo hamahana ny olana.

Tonga teny an-toerana moa ny tompon’andraikitra samihafa. Naneho nyTalen’ny CROUA fa efa eo am-panaovana tolo-bidy amin’ny fanamboarana Bloc may, rehefa nankatoavina ny desambra 2022 ny didim-panjakana. “Tsy fahadisoana avy aty amin’ny Minisitera, fa ilay lisitra iraisana, izay afak’omaly vao azo. Amin’izao dia hiditra amin’ny “engagement” amin’ny famoaham-bola. Inoana fa tsy ho ela satria efa azo ny lisitra ahafahana mikarakara ny “engagement”, hoy kosa ny Talen’ny Vatsim-pianarana.
Toky R

 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Misavoritaka tanteraka ny raharaha eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao,

Card image cap