hoy ny fampitam-baovaon’izy ireo omaly. Ny alin'ny sabotsy lasa teo, nahatsikaritra fisiana fotodrafitrasa tsy ara-dalàna an-dàlam-piorenana teny anivon'ny faritra misy ny toeram-ponenan'ny mpianatra eny Ankatso II izy ireo. Nandritra ny fifampiresahana, nilaza ho manana taratasy fahazoan-dàlana tamin'ny mpitantana ny ivotoerana efa tany aloha tany ireo andian'olona nanao ny asa fananganana ireo. Tsy nisy kosa ny taratasy fampahafantarana nandalo teo anivon'ny fitaleavan'ny CROU-A, izay tsy maintsy miampy fananana "titre" sy "permis de construire". Manoloana izany, nidina teny an-toerana ary niroso tamin'ny fandrodanana avy hatrany ilay fotodrafitrasa tsy ara-dalàna ireo mpiasan'ny CROU-A izay miandraikitra ny filaminana omaly maraina. Tonga teny an-toerana ihany koa ny Talen'ny CROU-A, Mamisoa Aina nandrindra ny asa ary notronin'ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny. Nanamafy ny tenany fa tsy azo ekena ny gaboraraka toy izao ary miezaka mandrakariva ny CROU-A mijoro mandray ny andraikiny, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray.
J. Mirija