volana vitsy lasa izay, dia indro fa mbola miseho amin’ny endrika hafa indray izany ankehitriny, hoy ireo mpianatra avy amin’ny faritra eny amin’ny Cité U Ambohipo omaly. Tsy ekena ny fanaovana antsojay sy ramatahora toy ny fandrahonana ho faty ataon’ireo miaramila dokotera izay mitonona ho filohan’ny mpianatra ety amin’ny anjerimanontolo, hoy izy ireo. Niseho izany nandritry ny fandaminana ny momba ny tranon’ny mpianatra ny herinandro teo ka nitoriana mpianatra miisa 3 hiakatra fitsarana rahampitso (TTF: anio alakamisy 12 oktobra 2023). Angatahana fepetra hentitra ny mikasika io miaramila dokotera io, indrindra, ny tsy ahafahany miditra intsony aty amin’ny faritry ny oniversite. Mitodika amin’ny CROU-A sy ny tomponandraikitry ny oniversite mba hanadihady tsara ireny olona mitonona ho mpianatra ireny ary mampirisika ny fandraisana andraikitra mikasika azy ireny. Ry zareo gisalahy oman-ketsa indray no avo vava sy manao ramatahora milaza ho mahafantatra olona ambony. Tsy vao sambany nanao izao fihetsika toy izao io miaramila dokotera io fa efa nitondra lefona tao amin’ny tranona mpianatra ny namany, volana vitsy lasa izay, hoy hatrany izy ireo mikasika ity dokotera voalaza ho manankorotana ny fonenan’ny mpianatra ity.
J. Mirija