Mitohy ny fandraisana mpampianatra FRAM hampidirina ho mpiasam-panjakana karakarain'ny Fitondram-panjakana ho an'ny faritra Analamanga. Natomboka tany amin'ny Fari-piadidiam-pampianaran'Ambohidratrimo izany ny 21 Aogositra teo, nandalo tao Ankazobe, Avaradrano ary Atsimondrano. Tany Anjozorobe no nanohizana izany ho an'ny andron'ny omaly Alatsinainy 24 Aogositra raha any amin'ny Fari-piadidiam-pampianaran'i Manjakandriana no hamaranana azy ny 27 Aogositra ho avy izao. Mpampianatra miisa 6 isaky ny Fari-piadidiam-pampianarana no horaisina amin'izany. Ankoatra ny resaka diplaoma raha araka ny fanazavan'ny tompon'andraikitra dia anisan'ny antony iray lehibe handraisana azy ireny ho mpiasam-panjakana ny traikefa hananany sy ny faharetan'ny fotoam-piasany teo anivon'ny tontolon'ny fampianarana. Tanjona ny hanamaivanana ny vesatry ny Ray aman-dRenin'ny mpianatra amin'ny fandoavana ny tambin-karaman'izy ireny isam-bolana. Tsiahivina mantsy fa mpampianatra FRAM avokoa no mampiodina ny 80% -n'ny asa fampianarana eny anivon'ireo sekolim-panjakana eto amintsika. Raha miisa 8 izy ireo no mampianatra mampiodina ny asa fampianarana eo anivon'ny sekolim-panjakana iray dia mpampianatra FRAM avokoa ny 6 amin'izany. Tsy vitsy ireo voatery mandray vokatra toy ny vary sy voamaina noho izany indrindra fa ny any ambanivohitra noho ny tsy fananan'ireo Ray aman-dReny fahafahana. Saika faly sy mankasitraka ity fanapahan-kevitra noraisin'ny Fitondrana Fanavaozana ity moa ny ankamaroan'ireo mpampianatra FRAM eto amin'ny Faritra Analamanga.
Pati
Légende : Mpampianatra FRAM no mampiodina ny ankamaroan'ireo sekolim-panjakana eto amintsika !