airtel

Fampianarana

16-juin-2021

Fampianarana

Grevy nangotraka tany Toliara Mpianatra 14 sy zandary 9 naratra, 15 voasambotra

Sample post image

Nangotra indray ny grevin’ny mpianatry ny Oniversiten’i Maninday Toliara omaly 15 jona.

16-juin-2021

 

 

Vao maraina dia raikitra ny fitokonana, fitakiana vatsim-pianarana 5 volana, fitakiana “validation” sy “homologation” ho an’ny diplaoma “master”,…. Nidina an-dalambe nanakan-dalana tao Sanfily ny mpianatra, naneho ny fahatezerany noho ny tsy fahatanterahan’ny fanomezan-toky nomen’ny Fanjakana. Niditra an-tsehatra nandrava izany ny mpitandro filaminana, ary raikitra sakoroka sy ny fifandonana, izay nitohy hatrany amin’ny tapak’andro hariva, nifamalianaa ny toara-bato sy pilotra ho an’ny ankilany, ary lakrimozenina sy tifi-danitra ho an’ny andaniny. Mpianatra 14 sy mpitandro filaminana 9 no naratra. Milaza ny hanohy ny hetsika ny mpianatra raha tsy mahazo valiny mahafa-po, ary mitaky ny hamoahana ny namany 15 voasambotra. Tsiahivina fa efa niteraka sakoroka tao Toliara ny 27 Febroary lasa teo ny hetsiky ny mpianatra nitaky ny vatsim-pianarana. Nisy ireo olona nanaraotra, ka nivadika fandrobana tany an-toerana, niteraka fifanjevoa niafara tamin’ny fitifiran’ny mpitandro filaminana, olona telo no naratra nandritra ny sakoroka. Ny ampitson’io, niditra an-tsehatra ny Talen’ny seraseran’ny Fiadidian’ny Repoblika teo aloha Rtoa Rinah Rakotomanga sy ny Minisitry ny tanora sy ny fanatanjahantena Tinoka Roberto, izay mpiahy ny faritra atsimo rahateo. Nentina hatramin’ny teknisiana 45 handrafitra ny lisitry ny mpianatra tena izy na ny “digitalisation” hovitaina 3 andro mba hisorohana ny olana sy hirosoana avy hatrany amin’ny fandoavana ny vatsim-pianaran’ny mpianatra. Voaresaka ihany koa ny “habilitation” ny diplaoma Master ho an’ny sampa-pianarana sasantsasany. Nisy mihitsy ny fanolorana omby 3 nataon’ilay Minisitra avy any Atsimo manambara ny fivahan’ny olana sy ny fifaranan’’ny disadisa kinanjo io mifoha io ny grevy.

ANGAHA TSY HOE: TSY NY VOLA NO OLANA ?
 Ny 20 martsa 2021, mbola nilaza ihany koa ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina, fa hizarana “carte bancaire” ahafahany misintona ny volany ny mpianatra. Aiza izany sa toy ny “digitalisation” an’ny vahoaka nambara hatao 10 andro saingy efa ho herintaona sy tapany tsy hita? Na izy na ny Praminisitra dia samy nilaza fa tsy vola no olana fa ny resaka lisitra na ho an’ny mpianatra io na ho an’ny mpandraharaha (PAT), izay marihina fa mbola manana olana tsy mivaha amin’izao. Vao 5 andro teo ny Minisitry ny fampianarana ambony no nilaza fa efa mivaha ny olana, saingy io iaraha-mahita io indray ny grevy, leo fampanantenana poakaty ny mpianatra sy ny oniversite. Vao ny herinandro teo no nihetsika ny tany Mahajanga, izay vao nivoaka ny tetiandro hizarana vatsim-pianarana. Grevy foana vao misy vahaolana, fa tsy misy zavatra mandeha ara-dalàna. Efa hifarana ny taom-pianarana, ny vatsim-pianatana misy olana hatrany.

Toky R

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Misavoritaka tanteraka ny raharaha eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao,

Card image cap