airtel

Fampianarana

16-juil-2021

Fampianarana

« Gym Bacc » Tovolahy 20 taona namoy ny ainy

Sample post image

Tovolahy vao 20 taona monja antsoina hoe Razafimamonjy Kanto, mpianatra kilasy famaranana ao amin'ny Lycée Razafindraibe Victorien (LVR)

16-juil-2021

 ao Moramanga no namoy ny ainy nandritra ny fifaninana aram-panatanjahantena (gym bacc) ny alarobia 14 jolay lasa teo. Raha ny fitantaran'ireo nanatri-maso dia tsy nanana olana i Kanto, ary tsy nahitana fihetsika hafahafa teny aminy tany am-piandohana raha hamonjy ny hazakazaka izy, hoy ny tatitra. Nitambotsitra tampoka anefa izy rehefa akaiky ho tonga teny amin'ny farany ka taitra ny manodidina. Nentina namonjy Hopitaly avy hatrany izy ka navantana tao amin'ny trano fameloman'aina tamin'ny 3 ora sy sasany folakandro ary mbola niresaka tsara. Tsy tana intsony anefa ny ain'ity farany tamin'ny 05 ora sy sasany hariva na dia efa nanao izay azony natao aza ny mpitsabo. Tonga nitsapa alahelo sy nampahery ny ray aman-dRenin'i Kanto ny ny fari-piadidim-pampianarana tao Moramanga niaraka tamin'ireo mpiara-miasa aminy ny raha vao nahare izany voina izany. Mpanakanto vao misondrotra ao Moramanga i Kanto izao nodimandry izao, sady zanaka tokan'ny ray aman-dreniny, raha ny fanamarihana. Mankahery ny fianakaviany ary mirary fiononana feno ho azy ireo isika eto amin’ny Tia Tanindrazana.
Toky R
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Misy olona manaparitaka zava-mahadomelina ao anatin'ny faritry ny onivesite-n’i Barikadimy,

Card image cap
23-avril-2024

Notsiahivin’Atoa Rakotondrainibe Besa Joseph Filohan’ny Filankevi-pitantanan’ny CONAMEPT CONAMEPT

Card image cap