ho an’ny solombavambahoaka Alain Ratsimbazafy, voafidy teny amin’ny distrikan’Atsimondrano. Nanatanteraka hetsika tao amin'ny Lisea Joseph Ravoahangy Andrianavalona , Kaominina Andranonahoatra ny tenany omaly Talata 26 Martsa ho fankalazana izay tolom-panafahana 29 Martsa 1947. Lohahevitra novoizina tamin'izany ny hoe
Tolom-panafahana, fitiavan-tanindrazana , no fototry ny fampandrosoana.
Hafatra nampitainy tamin'ireo zandry, mpianatra ankehitriny araka izany ny hoe Aza avela ho faty ilay afom-pitiava-tanindrazana misy ao anatinareo, fa ny ray aman-drenintsika aza efa nahafoy ny ainy ho antsika aty aoriana, koa mitsangana ry tanora, aza manana ahiahy,...Ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano moa no nosafdian’ny Ministeran'ny fanabezam-pirenena sy ny Ministeran'ny foloalindahy nanatanterahana ny hetsika tamin’ity taona 2024 ity. Mpianatra marobe no tonga nanome voninahitra ity fotoan-dehibe natao teny amin’ny EPP Andranonahoatra ity omaly.
Pati
Legende Ny solombavambahoaka Alain Ratsimbazafy teo afovoan’ireo mpianatra teny amin’ny lisea Andranonahoatra omaly
Antitranterina fa tena latsaka an-katerena sy tandindonin-doza ny fampianarana eto Madagasikara,
Mahasarika tanora mpianatra marobe ilay Salon de l’etudiant special Janvier maimaim-poana