airtel

Fampianarana

13-mars-2026

HONORAT sy HONORÉ

Porofo mivaingana fa tsy maintsy tafita rehefa mifanampy

Sample post image

Rakotondrasoa Bien Honorat, sy Rakotondrasoa Jean Honoré

13-mars-2026

kambana mirahalahy iraitampo no angady nananana sy vy nahitana ny fananganana ny sekoly ho an’ny zanaky ny sahirana eny Ambodihady Ambohimanarina. Raha tsiahivina ny lasan’izy mirahalahy dia ilay atao hoe saika tsy TAFITA satria teo amin’ny kilasy fahasivy no voatery najanona fianarana noho ny fahasahiranan'ireo Ray aman-dReniny. Latsaka lalina tao am-pin'izy roalahy noho izany fa raha tafita soa aman-tsara izy ireo dia hanangana sekoly hanabeazana ireo zanaky ny sahirana. Niezaka araka izany izy roalahy ka nanapa-kevitra fa hiasa hitaom-biriky vao maraina ka hatramin’ny 6 ora hariva, ka izay vola azo eo no hanaovana « cours » hanohizana ny fianarana. Nanasa lamban'olona sy natsaka rano koa izy ireo ka tojo Rangahy iray mpampianatra tsara fanahy nanampy azy. Maro ny sedra nolalovana nandritra izany saingy tsy natao nahakivy hoy izy mirahalahy fa natrehana am-pinoana ny zava-drehetra ary dia tontosa ny nofinofy hanampy ny hafa. Tamin'ny alalan'ny fananganana ilay fikambanana Manampisoa no nisantarany izany tamin'ny taona 2012. Nitohy tamin'ny fananganana ny sekoly Bel' Avenir izany izay efa misy ankizy sy tanora mpianatra sahirana manodidina ny 300 isa mahery ankehitriny. Misy hatrany anefa ireo ory hava-manana tsy mahazaka fandrosoana eny anivon'ny fiaraha-monina eny ka nisy naka an-keriny ny fikambanana natsangan'izy ireo tamin'ny taona 2019. Mbola niady mafy ihany izy roalahy noho izany ka nivaha ny olana ary azony soa aman-tsara ihany ilay fikambanana.Ho antsika tanora, tsy sakana tsy handrosoana ny fahantrana fa sakana natao hialana sy ho resena, miraisa hina, mifankatiava mba ho tahaka an’i Honorat sy Honore.
Pati
Légende : Izy roalahy tompon'andraikitra sy ny asa Fanabeazana hiantsorohany isan'andro !
 

Dans la même rubrique