airtel

Fampianarana

05-mai-2022

Fampianarana

IS Group training and consulting “Mahasarika olona ny fiofanana momba ny fananan-tany”

Sample post image

Hita ho tsy ampy ny fiofanana nomena ireo vita fianarana eny amin’ny oniversite na sampan-draharaha fiofanana, hoy ny mpampiofana sady mpanoro hevitra eo anivon’ny YS Group training and consulting, Yves Raheriniaina.

05-mai-2022

Hita hoe tsy mahatoraka ny asa misy eto Madagasikara ilay izy, hoy izy. Izay no mahatonga anay manao fampiofanana ho matihanina kokoa. Fampiofanana fampiharana noho izany no ampianay kokoa. Isany ataonay ny resaka tsenam-panjakana, haitarika na “management et leadership”, ny fampivoarana ny tena na “developpement personnel”, ny tetikasa sy fanavaozana ary fananantany. Lesoka mahatonga ny olana ara-tany ho betsaka eny amin’ny tribonaly izao voalohany indrindra dia ny tsy fahaizan’ny olona dingana tokony arahana. Na hividy tany na manana tany lova na hangataka tany amin’ny fanjakana io. Mahatonga olana amin’ny fiarahamonina izay matetika. Izay no antony hanomezanay fampiofanana momba izany. 2 volana izao no nisokafan’ity toeram-piofanan’ny YS Group eto Ampefiloha ity dia io resaka ara-tany io no tena hita ho mahasarika ireo mpiofana. 240 isa eo no mpiofana ato fa ny voasariky ny resaka fananan-tany dia eo amin’ny 40 isaky ny andiany eo. Maherin’izay no misoratra anarana saingy io moa no fetra napetrakay, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Legende: Yves Raheriniaina
 

 

Dans la même rubrique