Miroso hatrany amin'ny fanomezana fahafaham-po ny Raiamandreny sy ny mpianatra ny IT College, lisea siantifika voalohany eto Madagasikara, kasaina hisokatra amin'ny taom-pianarana manaraka. Nisokatra tamin’ny taona 2024 ny IT College ary manitatra ny sehatra iasany amin’ny fananganana campus vaovao ao Iavoloha, eo amin’ny iray kilometatra miala amin’ny IT University. Manorina fotodrafitrasa 6 000 m² ny sekoly ary mandray mpianatra hatramin’ny 1 400. Aty amin'ny Lisea dia efa manampiditra ny fianarana "programmation" ho an'ny tontolon'ny informatika ny IT College ary manome lanja ny fahaizana teny vahiny, indrindra ny teny anglisy sy mandarin, ho fanomanana ny mpianatra hiatrika sehatra iraisam-pirenena. Manome fahafahana hampiasa internet sy fitaovana nomerika tsy misy fetra ny sekoly ary manomana ny mpianatra hiatrika ny BACC Série S na ny SAT (Scholastic Aptitude Test) manaraka ny fenitra Amerikanina. Rehefa afaka BACC taranja siantifika, manohy avy hatrany ny fianarany ao amin’ny IT University ny mpianatra. Ny fanokafana ity campus vaovao ity dia manamarika ny fitohizan’ny paikady fampandrosoana ny IT College ary mikendry ny hanome sehatra maoderina sy manara-penitra ho an’ny tanora Malagasy liana amin’ny teknolojia. Efa misokatra ny fisoratana anarana ho an’ny kilasy Seconde sy Première izy ary tahaka izany ihany koa ny "préinscriptions" ho an’ny taom-pianarana manaraka. Anisan'ireo sekoly miavaka mamolavola ireo tanora heverina fa isan'ny hoavin’ny teknolojia izany ny IT College izay teraka avy anatin'ny IT University izay efa namoaka tanora maro misehatra amin'ny tontolon'ny informatika, teknolojia, nomerika,... eto an-toerana sy maneran-tany.
Toky R