airtel

Fampianarana

17-mai-2022

Fampianarana

Jean Eric Rakotoarisoa “Misy ny tody ary ny ratsy atao no miverina”

Sample post image

Nikatona ny vavahadin'ny oniversiten'Antananarivo izao maraina izao, hoy ny filohan’ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana teo aloha, Jean Eric Rakotoarisoa, omaly.

17-mai-2022

Efa faha 16 mey isika anio (TTF: omaly) nefa mbola tsy nandray karama aprily ny PAT na mpandraharahan’ny oniversite, hoy izy. Tokony ho tonga saina izay tompon’andraikitra rehetra amin'izao fahatarana izao. Na noho ny tsy fahaizana miasa na noho ny tandrevaka na sanatria fanahy iniana, fa manana endrika famonoana olona an-kitsirano izao noho ny fiainana efa sarotra. Tandremo fa amin'izao fiverenana an-doharano izao sy ny famerenana ny hasin'ny tany dia misy ny tody ary ny ratsy atao miverina, hoy hatrany ny tenany. Ny mpanandro sady filozofa, Rabearifeno Albert, moa dia efa ela no nanamarika fa “Ny tody itsy misy ka ny atao no miverina.” no oha-pitenenana tena izy fa tsy hoe “Ny tody tsy misy fa ny atao no miverina.” akory. Tsy misaina izay lazaintsika isika taranaka aty aoriana, hoy ity farany, hany ka zary vazivaziana koa ilay izy hoe “Ny atody tsy misy fa ny akoho no miverina.”
J. Mirija
 

 

Dans la même rubrique

27-mars-2024

Tsy handalo fotsiny ihany ny fahatsiarovana ny faha-77 taonan'ny tolom-panafahana 1947

Card image cap