ny fanadinam-panjakana CEPE tao amin'ny ZAP Alasora ny Ben'ny tanana Randriantsoa Jimmy mivady sy ireo mpanolontsaina miaraka aminy omaly Talata 16 Jona. Ankizy an'arivony no nahazo tombontsoa tamin'izany niparitaka tamina foibem-panadinana maromaro toy ny CEG Alasora, ny Kolejy Saint Laurent ary ny tao Ambohimanambola. Nambaran'ny Ben'ny tanana fa efa fanin'eniny no nanao hetsika tahaka izao ny kaominina isan-taona. Tanjon'izy ireo ny hanalana fahasahiranana ny Ray aman-dReny indrindra fa ho an'ireo tena sahirana. Toraka izany koa ny hikajiana sy hitandroana ny sain'ireo ankizy mpiadina mba tsy hanana alahelo izy ireo amin'ny sakafo hohanina fa mitovy daholo. Misy mantsy ireo milaoka anana.. Tao anatin'ny hafaliana tanteraka no nandraisan'ireo mpiadina sy ny Ray aman-dRenin'ny mpianatra izany fahatsoram-pon'ny Ben'ny tananan'Alasora sy ny ekipany tamin'ny fanolorana sakafo mafana ho azy ireo izany.
Pati
Légende : Nandritra ny fizarana sakafo omaly notarihin'ny Ben'ny tanana Randriantsoa Jimmy !
Vita soa aman-tsara ny fanadinam-panjakana CEPE